Nafanafana ny fanehoan-kevitra nandritra ny hetsika nataon’ireo mpandala ny ara-dalŕna sy mpomba ny filoha Marc Ravalomanana tao amin’ny kianjan’i Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 10 martsa teo.
Nampiavaka ity hetsika ity ihany koa ny fahavorian’ireo Parlemantan’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tamin’io fotoana io. Raha ny lahateny nentin-dRasolo avy ao amin’ny Vondron’olon-tsotra sy very asa dia nasiaka mafy ny lehilahy nilaza fa ny mpanao politika sy mpitsara ary ny mpitandro filaminana no fototry ny olana eto Madagasikara ka mandatsaka anaty fahoriana ny vahoaka. Nolazainy fa ady seza no mibahana amin’ireo mpanao politika fa tsy mijery ny fahasahiranam-bahoaka, ary manjaka ankehitriny ny kolikoly sy fitiavam-bola ka ny madinika hatrany no mizaka ny mafy.
Nohamafisin’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Rasolonjanahary Sely Tiana, avy any Antanifotsy moa izay hafatra izay ka nilazany fa raha mandray andraikitra an-kalalahana ny Sendikan’ny Mpitsara Malagasy amin’ny fampiharana ny lalàna ka mametraka sy mamerina izay tany tan-dalàna izay dia tapitra ny fanjakazakan’ny mpanao politika ratsy fitondran-tena rehetra. Notsindriany fa tokony hotsaraina tsy miangatra ny raharaha rehetra nanomboka ny taona 2009 hatramin’izao 2012 izao, toy ny raharaha 07 febroary, ny “bois de rose” sy ireo harena ankibon’ny tany samihafa, dia ho hita eo ny marina. Nisongadina tamin’ity fihaonana ity ny famerenana ny fifampitokisana eo amin’ireo mpitarika sy ny vahoaka, ary ny famerenana ny fiaraha-mientana hampandresena ny tolona.
Nambaran’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Rakotomiandrisoa Ernest fa “isika tsy miara-mitantana amin’ireo mpitondra FAT ireo fa kosa manatanteraka ny tondrozotra matoa miditra ao amin’io rafitra io. Izay no nanasoniavana izany, saingy ny hita sy tsapa dia ny UDR-c sy ny TGV no sakana amin’ny fanantanterahana io tondrozotra io hatreto”. Anisan’ny voaresaka ihany koa ny famotsoran-keloka. Nolazain’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Lanto Rabenatoandro fa tsy isika no maika amin’izany fa ny sasany ao amin’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana izay mikasa hilatsaka hofidiana aoriana ao. Nolazainy ihany koa fa tsy nisy zavatra vitan’izao fitondrana tetezamita izao afa tsy nampihemotra ny laharan’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fotsiny. Tao anatin’ny telo taona dia isika no tompondaka eran-tany amin’izay fihemorana izay vokatry ny nataon-dRajoelina.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.