Nisy taratasy niparitaka teny amin’ny faritr’Antehiroka omaly fa ho avy hanafika ny dahalo, nihorohoro ny mponina teny Mamamba, Amparoratra sy Ambohijanahary Antehiroka nahare azy io.
“Efa tena sahy miakatra an-tanàn-dehibe ve izany ny dahalo amin’izao fotoana ?”, hoy ny mponina. Tsy mbola fahita teny amin’iny faritra iny mihitsy izany hatramin’ny naha Antehiroka azy. Ny any Tsaratanana dia efa niaraha-nahalala ny vaovao fa kandida depiote izao no nisy naka an-keriny ary dia maty notapahin-doha. Nialoha io, efa tsy tambo isaina ireo fakana an-keriny nahalasibatra ny mpandraharaha, mpianatra, mpitsabo, mpivarotra. Olona 16 be izao kosa no voasambotra tany Analavory, faritra Itasy ny talata lasa teo, asan-jiolahy sy firaisana tsikombakomba no antony. Tetsy Behoririka, karana vavy iray no maty nisy namono tao an-tranony ny faran’ny herinandro teo. Mbola maro tsy hotanisaina ny herisetra, fanendahana isam-pokontany mampihorohoro ny olona na rehefa hivoaka ny trano io na rehefa mody avy miasa na avy mianatra. Novoizin-dRajoelina sy natao litania ary resahina amin’ny IEM ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Efa in-droa miantaona no nampirantirantiana ireo fitaovam-piadiana teny amin’ny CCI Ivato avy eo nandritra ny fianianan’ny filohan’ny repoblika vaovao teny Mahamasina. Noresahana hatramin’ny hoe hividy “drone” sy elikoptera na angidimby. Nambara aza fa ho avy afaka roa volana ilay angidimby. Ny zava-misy dia vao miha mirongatra ny asan-jiolahy na dia eo aza ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana. Ny ara-tsosialy dia tampi-maso vary mora no natao, tsy re tsaika intsony ny hoe karama farany ambany 200 000 ariary. Ny sehatry ny fahasalamana dia 611 no matin’ny kitrotro. Mitohy ny fitarainan’ireo marary sy manana marary samihafa fa manakaiky ny kitoatoa ny fikarakarana eny amin’ireo hopitalim-panjakana. Tsy manam-bola handehanana eny amin’ny toby fitsaboana tsy miankina anefa ny daholobe. Mijanona ho resadresaka fotsiny ihany koa ny diplaomasia satria re fa miketrika fihaonana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fanjakana mba hikarohana famatsiam-bola. Ny hita aloha dia mihen-danja ny vola Malagasy. Ny sehatry ny angovo moa dia io iaraha-mahita isan’andro io ny delestazy, ny fahatapahan’ny rano. Izany rehetra izany no mahatonga ny olona hiteny fa tsy misy zavatra voafehin’ny fitondram-panjakana tarihan-dRajoelina eto. Sehoseho sy famonoan’afo ary fanampena-maso no betsaka fa raha ny tena fiahiana ny fiainana sy ny fitadiavan’ny Malagasy dia “zero” ny naoty; ny mampanahy ny rehetra aza izao dia hiverina indray ny voka-pifidianana hafahafa amin’io fifidianana solombavambahoaka amin’ny 27 mey io. Miha hita soritra hatrany fa tsy mbola ampy traikefa amam-pahalalana hitantana firenena i Andry Rajoelina fa natosika fotsiny ho filoha, noho ny antony tsy fantatra…, ary na ireo mpiara-dia aminy aza efa maro ny latsa-nenina sahady 2 volana aty aorian’ny nitondrany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.