Fanadiovan-tena. Mazava ny resaka fa te-ho filoham-pirenena hadio i Andry Rajoelina. Niniana tsy nolazaina avokoa anefa ireo tranga tena niteraka ny krizy politika teto amintsika, indrindra fa ny fahapotehan’ny toekarena, izay nampiaiky volana ny maro fa tena ho sarotra ny hanarina azy.
Naiditra am-ponja i Eddy Boaderozy na Maminirina Jean Eddy, izay nanohana an` ny filoha Rajoelina tamin` ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Manadio tena mafy amin’ny resaka fanondranana « bois de rose » i Andry Rajoelina ka nilaza mihitsy fa niady tamin’izany nandritra ny Tetezamita. Raisina avokoa ireo karazana fepetra entina hanadiovan-tena. Tsy misy afa-tsy ny fiezahana namafa ny andraikiny tamin’ny fanapotehana ny firenena no asongadin’i Andry Rajoelina amin`izao fotoana. Miharihary ny mbola fanaovany ny Malagasy ho bado ka hihinana am-bolony fotsiny ny fampanantenana ho avy mamirapiratra ho an’i Madagasikara, izay efa nopotehiny tanteraka. Mihevitra izy fa ho vita mora ao anatin’ny indray mipi-maso monja angamba no hanadinoana ny fomba mamohehitra nanapotehany ny firenena.
Voailika. Dia ho sanatria ve hametraka ny mpanao politika ho an’ny amin’ny toerana tsy misy ilàna azy ity filoham-pirenena ity, vao mianatra mamindra eo amin’ny tontolo politika ? Raha vantanina ny resaka, hailika ireo manaratsy endrika ny filoham-pirenena, eny fa na dia akama hatramin’izay aza. Mety hisy tokoa angamba ny fahagagana taorian`ny diany avy tany Etiopia. Hodiany tsy fantatra tokoa angamba fa nanomboka tamin’ny tetezamita no tena nanjaka ny gaboraraka sy ny fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena. Mora tokoa ny manadio tena rehefa maika handrombaka fahefana. Ho hita eo aloha, fa ny tsapa dia ho tohatra fiakarana ihany ny ankamaroan’izy ireo.
Diso fanantenana. Maro sahady ireo mpanoahana an`i Andry Rajoelina no diso fanantenana fa toa tsy mena-mivadika ity filoham-pirenena ity. Ny ankamaroan`ireo mpomba azy dia nieritreritra avokoa fa hisokatra indray ny afera, Misy ireo zatra an`ilay gaboraraka nisy tamin`ny tetezamita. Marihana fa tsy mitovy intsony kosa ny fitondrana tetezamita sy ny fitondrana repoblikanina. Raharaha politika no atrehina ka tsy maintsy fehezina ny olona ao anatin`ny antoko sy fikambanana nanohana. Zava-doza anefa no ho vokatr`izao ady mangatsiaka raha toa ka tsy mandinika ny filoha Rajoelina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.