Politique

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao


  • Zoma 15 Febroary 2019

Fanadiovan-tena. Mazava ny resaka fa te-ho filoham-pirenena hadio i Andry Rajoelina. Niniana tsy nolazaina avokoa anefa ireo tranga tena niteraka ny krizy politika teto amintsika, indrindra fa ny fahapotehan’ny toekarena, izay nampiaiky volana ny maro fa tena ho sarotra ny hanarina azy.

Naiditra am-ponja I Eddy Boaderozy na Maminirina Jean Eddy, izay nanohana an` ny Filoha Rajoelina tamin` ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Manadio tena mafy amin’ny resaka fanondranana « bois de rose » i Andry Rajoelina ka nilaza mihitsy fa niady tamin’izany nandritra ny Tetezamita. Tsy misy afa-tsy ny fiezahana namafa ny andraikiny tamin’ny fanapotehana ny firenena no asongadin’i Andry Rajoelina amin`izao fotoana. Miharihary ny mbola fanaovana ny Malagasy ho bado ka hihinana am-bolony fotsiny ny fampanantenana ho avy mamirapiratra ho an’i Madagasikara, izay efa nopotehiny tanteraka. Mihevitra izy fa ho vita mora ao anatin’ny indray mipi-maso monja angamba ny hanadinoina ny fomba mamohehitra nanapotehany ny firenena.

Voailika. Dia ho sanatria ve hametraka ny mpanao politika ho amin’ny toerana tsy misy ilàna azy ity filoham-pirenena ity, vao mianatra mamindra eo amin’ny tontolo politika? Raha vantanina ny resaka, ho voailika ireo izay manaratsy endrika ny filoham-pirenena eny fa na dia akama hatramin’ izay aza. Mety hisy angamba ny fahagagana taorian` ny diany avy tany Etiopia ? Hodiany tsy fantatra tokoa angamba fa nanomboka tamin’ny tetezamita no tena nanjaka ny gaboraraka sy ny fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena. Mora tokoa ny manadio tena rehefa eo aminy ny fahefana. Ho hita eo aloha, fa ny tsapa dia ho tohatra fiakarana ihany ny ankamaroan’izy ireo.

Diso Fanantenana. Maro sahady ireo mpanohana an`i Andry Rajoelina no ho diso fanantenana fa toa tsy mena-mivadika. Ny ankamaroan`ireo mpomba azy dia nieritreritra avokoa fa hisokatra indray ny afera sy ny bizina samihafa. Zatra an`ilay gaboraraka nisy tamin`ny tetezamita tokoa angamba. Tsara ny manamarika fa tsy mitovy intsony ny fitondrana tetezamita sy ny fitondrana repoblikanina. Raharaha politika no atrehina ka tsy maintsy fehezina ny olona ao anatin`ny antoko sy fikambanana nanohana. Zava-doza anefa no ho vokatr`izao ady mangatsiaka izao raha toa ka tsy mandinika ny filoha Rajoelina.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT