Politique

Andry Rajoelina tao Toamasina Niova ny arofenitra fitsenana azy omaly


  • Zoma 27 Janoary 2012

Nohamafisina, nohenjanina ny fomba fiambenana ny filohan’ny tetezamita tonga tao Toamasina omaly, tamin’ny fitokanana ny scanner vaovaon’ny fadintseranana Malagasy.

 Nofoanana hatramin’ny andian-tafika miatrana tao Ambalamanasy mpitsena azy hatramin’izay. Voaroaka hatramin’ireo mpitsena rehetra, nahitana ny mpikamban’ny parlemantan’ny tetezamita mianadahy hany tonga, ireo tale samy hafa ara-panjakana ao Toamasina, ny PDS-n’ny Kaominina Toamasina vao notendren’ny fanjakana ary ireo olon’ny Faritra Atsinanana hanome voninahitra ny filohan’ny tetezamita. Ireo namana akaiky sy atokisan’ny ekipan’Ambohitsorohitra, miampy ireo minisitra telo mirahalahy dia ny minisitry ny fifandraisana, ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny vola ary ny minisitry ny fitaterana, niaraka tamin’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana ihany no nekena hijanona tamin’ny fitsenana ho an’ny solontenam-paritra.

Ny mpanao gazety aza misy fotoana tena tsy afaka nanao ny asany amin’ny fakana ny sary sy ny fanangonam-baovao vokatr’izany. Ny fametraham-panontaniana amin’ny maha filohan’ny tetezamita an’Atoa Andry Rajoelina aza tsy nisy sy tsy azo natao tao anatin’ity fanaovana ny harofenitra ity. Fa misy inona no niova tahaka izao ny zava-misy ? Io no fanontanin’ny maro niatrika ny lanonana. Maro tamin’ireo vahiny nasaina, izay olona manana ny lanjany arak’asa sy voninahitra teo anivon’ny Faritra Atsinanana no betsaka no nitsangana sy tsy nomena ny hajany nandritra ny zava-nisy rehetra ary voakitakitan’ny mpisahana ny harofenitra tamin’ity lanonana teo anivon’ny fadintseranana tao Toamasina omaly ity.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT