Tafaverina an-tanindrazana omaly maraina i Andry Rajoelina. Nangina, nitsaitsaika toy ny nivoahany ihany no nidirany. Raha ny voalaza moa dia niala sasatra ny tenany sy ny ankohonany.
Tsy nisy nahalala izany moa teto fa gazety vahiny no nampita ny vaovao tamin’ny Malagasy. Araka ny fanazavan’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, Ralaiseheno Guy Maxime dia “tsy niala sasatra izany i Andry Rajoelina fa nampanantsoin’i Frantsa”. «Manenina amin’ny zavatra nataony, dia ny fanonganam-panjakana nataony teto i Frantsa», hoy izy. Notohizany fa tsy tonga tamin’ny tanjona noheveriny ny nataon-dRajoelina. Araka ny fantatra ihany dia anjaran’i Frantsa ny mitarika ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny Firenena Mikambana amin’izao. Niova ny politika sy ny paikady momba ny fifandraisana Frantsa-Afrika, nandritry ny fihaonana faha-20-n’ireo masoivoho frantsay eran-tany. Misy antony ary tsy misy mandeha ho azy ireny zavatra ireny, hoy Ralaiseheno Guy Maxime.
Raha manenina i Frantsa dia azy ny azy, hoy ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato teo aloha ity. «Esory i Andry Rajoelina fa ny anay efa nosoniavinay ny sori-dalana», hoy ihany izy. Araka ny fanazavany dia efa mandeha amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna i Madagasikara. Ankoatra izay, dia betsaka ny resaka mandeha amin’izao fotoana izao fa tadiavina hofoanana ny hetsiky ny mpandala ny ara-dalàna, indrindra ny mpomba an-dRavalomanana, etsy amin’ny Magro Behoririka. Nohamafisin-dRalaiseheno Guy maxime moa fa dia tsy hijanona izany hetsika izany raha tsy mivoaka avokoa ireo gadra politika rehetra, raha tsy vohaina avokoa ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT ary mody sy mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena i Marc Ravalomanana”. Tsy manana kandida ankoatra an-dRavalomanana izahay, hoy izy nanamafy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.