Politique

Andry Rajoelina Tandindomin-doza ny hoavy politikany


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2017

Totoafo ny serasera ataon’ireo mpomba ny fitondrana HVM nanomboka ny faran’ny herinandro teo nanambara fa ny fitondrana tetezamita no nivarotra ny tany misy ny villa Elisabeth toeram-ponenan’ny fianakaviana Zafy Albert eny Ivandry.

 

 Mitondra ny datin’ny 24 janoary 2014 ilay taratasy ary minisitra tamin’ny tetezamita tokoa no nanasonia azy.Tsy hiadian-kevitra ny amin’iny  fa ny mahalasa fisainana dia ny nivoahan’io taratasy io tampoka, taratasy izay marihana fa taratasim-panjakana ary ireo gazety ambara fa akaikin’ny fitondram-panjakana no namoaka azy ny sabotsy 28 oktobra lasa teo. Tranga tsy tongatonga ho azy fa misy tanjona mazava dia ny fampibaribariana fa ny tetezamita notarihan’i Andry Rajoelina no fositra tamin’io famarotana ny tany misy ny villa Elisabeth io. Anisan’ireo tonga nidodododo namangy ny fianakaviana teny amin’ny lapan’ny kolotsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ary niara-nipetrapetraka tamin’ny fianakavian’ny Pr Zafy Albert mihitsy avy eo ny alahady 15 oktobra. Samy nahatsikaritra ny mpanara-baovao taorian’io fa miverina manao serasera indray ny olon’ny Mapar sy ny mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina ka noheverina fa niverina eo amin’ny sehatry ny politika amin’izay ny filohan’ny tetezamita. Anisan’ny fetsy amin’ny fampiasana ny serasera izy ary manana orinasa amin’izany rahateo. Roa herinandro taorian’io dia mivoaka ny « dosie » manoso-potaka tanteraka ny fitondrana tetezamita ka lohalaharana i Andry Rajoelina filohany. Andrasana izay mety hambaran’ny Mapar sy ny olon’ny tetezamita teo aloha momba ity raharaha ity. Goavana mantsy ilay izy ary tsy maintsy hisy akony eo amin’ny tontolo politika. Mety ho fitaovana iray hanapotehana ny vondrona Mapar sy Andry Rajoelina izay efa lazain’ny olona fa manana traikefa amin’ny famarotana zavatra tsy azy toy ny fiaramanidina Air Force One tamin’ny andron-dRavalomanana, ny fanomezana alalana ny Sinoa nitrandraka vy tao Soalala, izao indray tompon’antoka tamin’ny famarotana ny tranon’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT