Samy manomana ny paikadiny amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ireo kandida sy vondrona na antoko mikendry ny hitantana an’i Madagasikara aorina kely.
Tsy afa-misaraka amin’izany ny kajikajin’ny firenen-dehibe, izay efa manomana ny olony avy. Ho an’ny arabo, izay efa manomboka mametraka ny toerana eto amintsika tahaka ireo firenen-dehibe hafa, dia efa mandeha ny resaka amin’ny olona mety ho kandidan’izy ireo. Ny anaran’i Andry Rajoelina, filohan’ny tetezamita teo aloha sy ny an’i Ny Rado Rafalimanana no re fa mety ho kandida atosiky ny arabo amin’izany. Voalaza fa tsara fifandraisana amin’ny arabo izy ireo ankehitriny, ary porofon’izany ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola hataony any amin’ny tany Arabo, toa an’i Dubaï. Mbola iharan’ny sakantsakana isan-karazany i Andry Rajoelina amin’izao saingy mitady hirika amin’ny hanosehana azy ny Arabo, izay tena sahy manatosaka volabe mihitsy noho ny vola aman-karena ananany, ary efa tena atahoran’ny Tandrefana izy ireo. I Ny Rado Rafalimanana kosa dia tsy mbola fantatra loatra tamin’ny resaka politika na dia efa nikasa hofidiana filoham-pirenena aza tamin’ny taona 2013, saingy voalaza fa tsy nahafeno fepetra. Izy no azo lazaina ho mpandraharaha Malagasy tsara fifandraisana indrindra amin’ireo mpanefoefo arabo, ary tombanana ho kandidan’izy ireo amin’ny taona 2018, raha ny serasera sy ny fihetsiny izay miezaka manamafy orina amin’ny fifandraisana amin’ny arabo. Re ankehitriny fa raha toa ka ho voasakan’ny HVM hatramin’ny farany i Andry Rajoelina dia Ny Rado Rafalimanana no hisolo ny toerany ary mety hifanohana izy ireo amin’izany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.