Politique

Andry Rajoelina sy ny MAPAR Hamita-bahoaka fanindroany…


  • Zoma 10 Novambra 2017

Raikitra indray ny serasera isan-karazany hoenti-manadio an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany tamin’ny famotehana ny firenena tamin’ny taona 2009, ary natao sesilany tany anaty tambajotran-tserasera tato ho ato.

 Mihevitra ny Malagasy ho dondrona sy kentrina ka mbola sahy milaza fa fandrodanana ny fanjakana jadona sy namotika tanindrazana no natao. Raha mbola nisy olona namotika sy nandrendrika an’i Madagasikara anefa, dia Rajoelina sy ny ekipany no lohalaharana. Manana traikefa amin’ny famotehana sy ny fangoronan-karena fa tsy mba olona mpanangana. Ny asa vita no ifampitsarana satria ny mpitondra mety samy manana ny faharatsiany sy ny hadalany daholo. Afaka mampitaha sy mitsara tsara ny Malagasy ny fiainany tany alohan’ny taona 2009 sy tamin’ny fitondran-dRajoelina sy ny HAT ary amin’izao fitondrana HVM izao. Afaka mamaly ny rehetra fa niaina kokoa ny Malagasy nialoha ny taona 2009 ary nisy ny jery lavitra hampandrosoana an’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny MAP.

Mpandroba sy mpamita-bahoaka

Hararaotina ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ankehitriny raha ampitahaina amin’ny tamin’ny HAT, ka voizina hatrany fa nahavita nampihodina ny firenena. Misy ny Malagasy resy lahatra amin’izany izay tsy hifanomezan-tsiny noho ny tsy fahalalana ny afera maizina sy fahotana mahafaty nataon’ny HAT. Nigalabona sy nitavana ny nisasaran’ny fanjakana Ravalomanana no tena natao. Misy mpitondra tamin’ny andron’ny HAT ve sahy manazava hoe nankaiza avokoa ny volabe 100 tapitrisa dolara sandan’ny fanomezan-dalana ny orinasa Wisco nitrandraka vy tany Soalala tamin’ny tetezamita ? Nankaiza ny vidin’ny Force One, 60 tapitrisa dolara, izay natao fitaovana nanonganana an-dRavalomanana ? Natao inona avokoa ny tahirim-bola efa ho 2 miliara dolara tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara fony Ravalomanana no filoha, satria 460 tapitrisa dolara sisa no tahirim-bola tao rehefa niala ny HAT. Nankaiza ny 1.954.000.000 Dolara ? Raha resaka fanamboarana hopitaly manara-penitra, Coliseum dia 50 tapitrisa dolara raha be indrindra no  lany. Azo anaovana zavatra tsy hita pesimpesenina ny volabe. Raha ny vidin’ny zavatra nambara fa nataon’ny HAT teto tsy misy ampahafolon’ny vola sy harena norobaina, fa ny Malagasy no ezahina habadoina. Lojika raha nirehareha ho nanao zavatra sy nampihodina ny firenena tsy nisy famatsiam-bola avy any ivelany satria nampiasa ilay vola be navelan’ny fitondrana Ravalomanana niampy ny afera hafa.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT