Raha tamin’ireo filoham-pirenena nifandimby teto amin’ny firenena aloha dia i Andry Rajoelina no tena nahay niserasera be indrindra. Izy rahateo moa nitantana orinasa mpanao dokambarotra.
Nandritra ny tetezamita (2009-2013), tsy mba nanakona ny fitiavan’ny politikan’ny fisehosehoana ny filohan’ny mpanatanteraka, izany hoe toetra na koa fihetsika manaitra ny maso sy mahatalanjona. Mampatsiahy ny atao hoe « populisme » izay nalaza tany aloha tany tamina firenena maro. Ny « populisme » moa dia paikady politika entina hanaovana fihetsika tsotra fa manan-danja hambaboana ny fon’ny vahoaka saingy mifono hevitra ambadika. Efa toetra faharoa izy io ho an’ity fitondrana ity, lasa fanapahan-kevitra iray hakana fon’ny vahoaka. Raha tsiahivina, nanamarika ny 100 andro tsy azo tsikeraina (100 jours de grâce) tamin’ny volana aprily 2019 ny fanaovana « tam-tam be» ny hetsika ka nasongadina kokoa ireo fizarana vary mora, makety maro samihafa hisarihana ny sain’ny olona. Ny tanjona dia « miasa ny ekipan’ny filoha ». Tsy nisy nipika na iray monja mba ahafahana manasongadina ireo velirano. Ohatra i Toamasina izay atao toa an’i Miami ! Ny fihetsika rehetra dia vita kajy mba hisarihana ny maso. Tsy misy fetra io politikan’ny « tia sehoseho » io. Teo ny fanesorana ny tompon’andraiki-panjakana izay nanaratsy ny endriky ny fitondrana. Ny minisitry ny angovo teo aloha, Vonjy Andriamanga, dia nizaka izany noho ny tsy fahombiazana tamin’ny asa nampandraketina azy kanefa taty aoriana voatendry indray ho talen’ny JIRAMA. Ny politikan’ny « tia sehoseho » koa anefa dia afaka miteraka loza ho an’ny mpitondra. Taorian’ny resaka « panier garni » dia nisedra olana ny fitondrana satria nampiaka-peo avokoa ireo mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana satria tsy nisitraka ny vola 65 000 ariary natokana ho an’ny mpiasam-panjakana. Noho ny serasera tsy nandeha amin’izay laoniny dia saika nivadika zavatra hafa satria mahatsiaro atao ankilabao ireo mpampianatra. Misedra ny atao hoe voinam-pirenena i Madagasikara tao anatin’ny andro maro noho ny vokatry ny andro ratsy. Tonga tany amin’ny toerana toa an’Antanambe nisy ny voina ny filoham-pirenena nanao ny adidiny amin’ny maha raiamandrenin’ny Malagasy azy ny zoma lasa teo. Nahavariana sy nahasarika ny sain’ny Malagasy ny fitafy sy ny fihetsiny tamin’izany. « Toa an’i Tom Cruise, mpilalao sarimihetsika malaza, ny filoha Rajoelina », hoy ny fanehoan-kevitra tamin’ny tambajotran-tseratsera. Raha serasera aloha dia hainy tokoa fa mahavaha ny olana ve izany ? Rehefa mahita sary toy izany ve ny olona dia hanadino ny fahoriana hiainana isan’andro sy fitantanana mampiahiahy ? Fandikàna lalàmpanorenana mihitsy no misy eto, hoy ireo loholona. Raha haingana be tahaka ny fihetsiketsehana ataon’ny filoha ny asa rehetra eto, dia handroso vetivety i Madagasikara, hoy ny resaka etsy sy eroa. Sa izany no mahatonga ilay fanovana mpikambana anaty governemanta ? Misy tsy maharaka hafainganam-pandeha ka manala baraka ny mpitondra !
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.