Politique

Andry Rajoelina Ohatra ratsy


  • Alatsinainy 06 Mey 2013

Ny olona tavela any ivelany aza tsy fidiny, ka ny eto an-toerana nahazo fanasana amin’ny fomba ofisialy indray no miavonavona.

 Tsy nanatrika ny lanonam-pamaranana ilay dinika nokarakarain’ny FFKM teny amin’ny CCI Ivato omaly hariva ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Noheveriny angamba fa tsy dia misy dikany firy ny zavatra natao teny na tsy mety aminy tsotra izao dia tsy nandeha izy. Tsy misy milaza mihitsy hoe ny fehin-kevitra nivoaka teny amin’ny CCI Ivato no tonga lafatra indrindra ka hahavaha haingana ny krizy. Na izany aza dia adidin’ny filohan’ny tetezamita ny mampiseho ohatra tsara amin’ny mpitondra, ny mpanao politika sy ny vahoaka Malagasy fa tena olon’ny fifampiresahana sy ny fampihavanana tokoa ny tenany ka vonona hikaroka ny vahaolana rehetra hanavotana ny firenena. Moa va tsy izy ihany no niteny fa vonona ny hikaroka izay fanafody mahasitrana an’i Madagasikara na aiza na aiza hahitana izany ? Farany teo, raha niverina avy nihaona tamin’ny Papa François tany Vatikana aza izy dia mbola nandroso tolokevitra hanaovana “Convention de paix”. Koa nahoana ankehitriny no miavona amin’ny fanasan’ny FFKM indray izy ?

Ireo efa tena minia tsy mahita ihany angamba no mbola sahy hilaza fa mijery marina ny tombontsoan’ny firenena i Andry Rajoelina. Raha ny marina dia manome ohatra ratsy ho an’ny taranaka Malagasy izy, sady miovaova hevitra lava, izay tiany ihany no marina aminy, tsy miraharaha ireo raiamandreny am-panahy, manabado ny Malagasy amin’izao karazana zava-mora rehetra izao. Ny tena mahatalanjona dia ny hoe vao herinandro no nihaona tamin’ny Papa Ray Masina François tany Vatikana i Andry Rajoelina. Nilaza izy fa maivamaivana ery ary afaka nilaza ny zava-manahirana azy sy nangataka ny Ray Masina mba hitrotro am-bavaka an’i Madagasikara. Vao tonga eto Madagasikara anefa izy dia io fa manangam-bovona indray, Marc ihany, hono, i Lalao ary tsy manaiky izy fa tsy maintsy kandida na dia efa nilaza izao aza fa tsy ho kandida. Lainga tsy misy mihoatra izany intsony na inona na inona hanadiovan-tena. Ka ahoana moa no tsy ho afa-baraka any ivelany sy ataon’ny vahiny resaka fanalana andro isika, tonga hatramin’ny filazana fa “sans qualité” mihitsy aza tany amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana tany New York tamin’ny 2009 ireny, satria manondrana sy manome ohatra ratsy eto !

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT