Nandritra izay 4 taona izay, dia tsy nisy andro na dia iray aza tsy nieritreretako ny Malagasy sy i Madagasikara, hoy i Andry Rajoelina nandritra ny fampahafantarana an’ilay IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) tamin’ny fahitalavitra TV Plus sy Kolo TV halina.
Ny zava-misy anefa dia tsy tafatombina teto amin’ny firenena sy tsy nahalala izany Malagasy izany intsony izy raha vao very fihinana. Nanadio tena fa tsara tantana ny firenena. Dedaka ery Rajoelina nilaza fa tsy nahazo nitrosa fa nahaloa trosa ny tetezamita, hoy izy. Fa mba nankaiza ary ny volabe manodidina ny 2 miliara dolara latsaka kely tao amin’ny banky foibe navelan’ny fitondrana Ravalomanana ? Ahoana ny tena marina momba ilay 100 tapitrisa dolara nomen’ny Sinoa nitrandraka vy tao Soalala ? Ny vidin’ny fiaramanidina Air Force One an-tapitrisany dolara ? Ny resaka vola be azo tamin’ny trafikana boaderozy naha voatonontonona olona tao anatin’ny tetezamita sy olona tena akaiky an’i Andry Rajoelina. Fahapotehana sy fahasimbana no tena sary mipetraka ao an-tsain’ny ankamaroan’ny Malagasy raha vao miresaka fitondrana tetezamita, kanefa dia milokaloka i Andry Rajoelina hampandroso an’i Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy na dia mbola mijanona ho resaka ambony latabatra fotsiny aza ilay IEM ataony tsianjery. Alahelony fatratra ny nanilihan’ny HVM azy, ary dia namatrapatratra Rajoelina nanaratsy ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina. Ifonako amin’ny Malagasy manontolo ny nanolorako sy nanohanako tamin’ny fomba rehetra ny HVM sy Hery Raonarimampianina, hoy izy. Ny tsy mahara-baovao, na very tadidy angamba no mety taitaitra fa izay mahafantatra tsara ny tantara dia mahalala fa manarona ny tsy fahaizany amin’ny resaka serasera sy resabe i Andry Rajoelina, izay mbola mahoraka n’aiza n’aiza fa “sans qualité” ary tsy azo atokisana amin’ny fampandrosoana firenena. Ohatra mivaingana azo itarafana izany ny fitondrana HVM amin’izao fotoana, tarihan’ny olona niara-niasa akaiky tamin-dRajoelina izay mahita paikady isan’andro haminganana ny Malagasy mitovy aminy.
Ny daty aza tsy mbola fantatra, raha ny nambaran-dRajoelina momba ny firotsahan-kofidiany ho filoha na tsia. Tsy any amin’izany ny resaka fa any amin’ny fitondrana fampandrosoana, hoy izy. Tsy mahamaika izany, fa fitaovana fotsiny. Mikasika ny mety ho fiarahana amin’ny TIM kosa, dia samy antoko ny TIM sy ny MAPAR, ka tsy hisy mandrakizay ny hoe ho iray ireo, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.