Politique

Andry Rajoelina Ny olony ihany no hisompatra azy…


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Tsy araka ny hafainganam-pandehan`ny lamasinina TGV ny fandehan`ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony toy ny sekretera jeneraly, tale jeneraly, tale maro samihafa.

 Toa mandeha miadana  toy ny sokatra. Inona no antony ? Raha tsiahivina, ny fanendrena ny praiminisitra sy ireo mpikambana nandritra ny governemanta dia vetivety satria ny ampitson`ny fianianan`ny filoha vaovao izany dia vita. Mifanohitra amin`izay anefa ny fanendrena an`ireo mpiasam-panjakana ambony ka manaratsy ny endriky ny fitondrana. Amin`izao, maro ireo minisitera no tsy mandeha amin`izay laoniny ny fampandehanan-draharaha anatiny, noho ny tsy fisian`ny mpitantana mazava. Ankoatra izay dia eo ny fampiatoana ireo mpiasam-panjakana tsy raikitra (ECD) izay tsy mbola nisitraka ny karamany nanomboka ny volana janoary 2019. Araka ny loharanom-baovao voaray, olon-kafa mihitsy no mitantana ny firenena ary izy ireo no mitsinjara ireo mpiasam-panjakana ambony ho fanomanana sahady ny fametrahana olona ho kandidà filoham-pirenena afaka dimy taona. Izy ireo, noho izany, no mametraka ny olony manerana ny minisitera. Raha toa manolotra anarana 5 na 6 ho mpiasam-panjakana ambony ny minisitra iray dia tsy tanteraka izany. Amin`ny ankapobeny, iray ihany no voatazona fa ny sisa dia io olona mikasa hirotsaka hofidiana amin`ny fifidianana filoham-pirenena manaraka io no manendry azy. Ny loza, hoy hatrany ity loharanom-baovao ity dia misy anarana efa voadinika sy ekena mandritra ny filankevitry ny minisitra saingy tsy voarakitra ao anatin`ny fampitam-baovao ofisialy. Olana iray ihany koa, misy kandidà sasany te hiditra ho mpiasam-panjakana ambony, fantatra amin`ny fahaiza-manaony sady mahafehy ny fitantanana asam-panjakana dia voailika tsotra izao. Raha anontaniana ny anton`ny fandavana dia tsy misy fanazavana azo. Raha izao aloha no mitohy dia tsy hisy asa vanona eo anivon`ny minisitera ary hizaka izany ny vahoaka Malagasy. Tsiahivina hatrany fa tsirihina isaky ny enim-bolana ny asa vitan`ny minisitra tsirairay avy. Sarotra inoana anefa raha hisy tatitra ho vita. Tatitra momba ny inona moa no ataon`ny minisitra iray raha sady tsy tafapetraka ny ekipany no tsy mahazo famatsiam-bola hiasana ny minisitera tantanany ? Raha izao aloha no mitohy ho maro no ho diso fanantenana amin`i Andry Rajoelina. Efa misy manomana sahady izany fa haka ny toerany afaka dimy taona.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT