Politique

Andry Rajoelina Ny ataony ihany no hampalemy ny fitondrany


  • Zoma 22 Martsa 2019

Efa maro ireo mpikambana eo anivon’ny antoko TGV sosotra fony tonga ny fotoana niforonan’ny atao hoe Mapar. Tonga indray ity ny IRD dia takona indray izany ireto roa hafa.

 

Ilay fikambanana nivondronan’ireo tra-doza nandritry ny raharaha 7 febroary 2009 moa na ny AV7 dia toy ny natao ririnin-dasa tsy tsaroana na dia nampanantenaina zavatra maro toy ny hoe hampidirina mpiasam-panjakana aza tamin’ny fotoan’androny. Tsy tonga filoham-pirenena mihitsy anefa i AndryNirina Rajoelina raha tsy vpafdy ho ben’ny tanànan’Antananarivo nytaona 2007 tamin’ny alalan’ny TGV (Tanora Malagasy Vonona), izay anarana mbola nentiny ihany rehefa nitarika ny hetsika fanonganam-panjakana izy ny taona 2009.Taorian’ny tsipaka am-bava fo nataon’i Hery Rajaonarimampianina rehefa voafidy ho filoha ity farany dia nipoitra indray ny vondrona Mapar ary nahatafiditra solombavambahoaka maro an’isa teny amin’ny antenimieram-pirenena;nandeha ny sakoroka politika, nivaky 3 ny Mapar ary nisy sahy nilaza mihitsy hoe izy no tompon’io vondrona ion a dia niaraha-nahalala izao aza fa Andry Rajoelina no nipoirany.Nandeha indray ny fifidianana filoham-pirenena 2018 dia efa mahalana ny fampiasana ny anarana hoe Mapar; vao lany filoha moa Rajoelina dia tsy re intsony io anarana io ary hita taratra tamin’ny fanendrena ireo tompon’andraikitra ambony teto amin’ny firenena izany.Ato anatin’izao fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka izao dia nipoitra indray ny hoe IRD izay manana kandida maro be manerana n nosy ary milaza fa miaraka amin’ny filoha Rajoelina. Nandoto ny sarin’ny filoham-pirenena ankehitriny ve ny antoko sy vovonana politika izay naoriny ka aleony manova endrika vaovao mihitsy? Iaraha-mahita anefa amin’izao fotoana izao fa maro ireo mpiaradia amin’ny filoha ankehitriny no miha mizotra tsikelikely any amin’ny fanoherana azy ary dia hita hampalemy ny fitondrany ity fitsipahan-doha laka nitana lava ity raha mitohitohy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT