Efa nanomboka tany amin’ny fomba fanomanana fampielezankevitra no hita fa niha nitombo hatrany ireo hoditr’akondro voatsipy nanoloana ny filoham-pirenena vaovao.
Ny fampielezankevitra mialoha ny fotoana dia efa nampametra-panontaniana ny maro ny firobarobana. Fampielezankevitra fihodinana voalohany, avy aiza ilay 180 tapitrisa dolara ? Fa naninona no niharihary fa tsy voara-mason’ny CENI ny loharanom-bolan’ity kandida iray ity ? Efa hatrany moa no naneno ny lakolosy fa tsy tomombana ny fifidianana ary feno hosoka. Nialoha ny fihodinana faharoa, niharihary fa nihoa-pampana ny hosoka. Vazivazin’ny mpandalo tamin’ireny ny hoe “Tsy mahay mangalatra fa tokony ho naka traikefa tamin’ilay iray.” Dia mbola mitohy ny tandrevaka. Eny, hatramin’ny fotoam-pianianana dia tsy ampy ny seza teny Mahamasina. Tsy mitovy ny sakafo nomena ireo nasaina teny Iavoloha. Ahiana indray koa ny fipariahan’ny CV sandoka. Hiverina ihany koa ve izany ny voambolana nalaza hoe “sans qualité” ? Dia samy nampiditra ny namany ho minisitra sy sekretera daholo koa izany. Tsy nisy fanendrena akory dia efa nisy namono omby sy nanao fety be raha ny ako voaray avy any amin’ny faritra avy any. Raha tsy mitandrina, araka izany, ity filoham-pirenena vaovao ity dia ny ao an-dapa ihany hamingana azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.