Lany tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana tetsy amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny lalàna fehizoro manome fahefana ny filoham-pirenena hanao lalàna noho ny ho fahabangan-toeran’ity andrim-panjakana ity aorian’ny 5 febroary hahataperan’ny fe-potoam-piasany.
Solombavambahoaka 95 no nanao “Eny”, raha toa ka 6 no nanao “Tsia”, dia ireo solombavambahoaka avy amin’ny Tiako I Madagasikara, ary 1 kosa tsy naneho hevitra. Araka ny voalazan’ny andininy faha-104 amin’ny lalàmpanorenana dia azo omena ny filohan’ny Repoblika ny fahefana mpanao lalàna amin’ny alalan’ny fampananan-kery izany amin’ny didy hitsivolana. Naka toky tsara izahay tamin’ny governemanta nilaza momba ny fotoana voafetra, zavatra voafetra mazava ny zavatra azo atao izay voafaritr’io lalàna io ihany, saingy tsy voavaly ilay izy, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Hanitra Razafimanantsoa. Raha miteny fotsiny hoe mandra-pitsangan’ny Antenimieram-pirenena, dia azo atao ny manao fifidianana solombavambahoaka afaka 90 andro, na herintaona, na 2 taona,… aorian’izao. Ny zavatra lehibe dia sarotra ny manome fahefana hanao lalàna ny olona manana ny fahefana mpanatanteraka amin’ny fotoana lava be fa manjary tsy hifandanja intsony ny fitondrana demokratika, izay manamafy ny tokony hisian’ny fisarahana mazava eo amin’ny fahefana mpanatanteraka, mpanao lalàna, izay lasa eo am-pelatanan’ny olona iray, ka lasa manome fakampanahy amin’ny zavatra izay hatao, hoy hatrany ireo depiote avy amin’ny TIM. Tsy misy intsony ny arofanina na “balise”, kanefa hatramin’izay dia ny fahefana mpanao lalàna no arofanin’ny mpanatanteraka, hoy izy. Sady manara-maso izy no mpanao lalàna no mpanatanteraka, kanefa tsy voafaritra ny fe-potoana sy ny zavatra azo atao, ka karazan’ny mizotra mankany amin’ny tsy refesi-mandidy satria sady mpandidy no mpanapaka ary tsy misy mpanara-maso. Ny zavatra azo eritreretina dia tsy maintsy mandalo fanitsiana na “ratification” eny anivon’ny Parlemantera ny zavatra notapahana rehefa mijoro io andrim-panjakana io, kanefa efa vita daholo izay natao vao hanao izany, naman’ny efa tara, hoy ny solombavambahoaka TIM. Feno sy hifangaro eo am-pelatanan’i Andry Rajoelina izany izao ny fahefana rehetra. Sady mpanatanteraka izy no mpanao lalàna no mpitsara ihany koa satria filoham-pirenena, filohan’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara, ary mbola filoha faratampon’ny foloalindahy. Mbola izy ihany koa no hanendry ny governoran’ny faritra. Feno izany ny fepetra toa manome endrika azy ho mpanjakan’i Madagasikara satria lavitry ny demokrasia ny zava-misy, araka ny fijerin’ny olom-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.