Politique

Andry Rajoelina Nitsoaka olana any Maorisy


  • Talata 27 Desambra 2011

Ny olana eto an-tanindrazana tsy mbola voavaha ary mainka aza mihamafy. Ny filohan’ny FAT kosa dia tapa-kevitry ny nisintaka any Maorisy.

 Mazava ho azy fa nitsoaka ny olana misy eto izy. Mety ho nanenina ny vava nataony koa. Nilaza izy fa handray andraikitra hentitra satria tsy azon’iza na iza hobaikoina amin’izay fanapahan-keviny. Dia inona ary rahoviana anefa ilay fanapahan-kevitra ? Toa natsipy eny Mahazoarivo fotsiny aza ny raharaha nefa ny eny ihany koa efa manana ny heviny dia ny fanalana ny minisitry ny fitsarana raha toa ka hoesorina ny minisitry ny polisy. Ny hetsiky ny polisy izay tena midika fa tsy manaraka ny baikon’ny fitondrana dia manamafy izany rehetra izany.

Tsy mifanalavitra amin’izany ihany koa ny an’ny mpitsara izay mbola mihizingizina amin’ny heviny na dia misy ihany aza ny sasantsasany izay nivadika amin’ny sendika. Ny tena ratsy ho an’Ambohitsorohitra dia vondrona roa izay tena anisan’ny manan-danja eto amin’ny firenena no manomboka mitsipaka ny fitondrana. Tsy voafehy hatreto ny raharaha ary heverina fa mety mbola hihombo aza izany raha izao tsy misy fepetra noraisina izao.

S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT