Omaly hariva no nihaona tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra ny filohan’ny tetezamita ka nanao tatitra fohy momba ny fivorian’ny SADC tany Maputo farany teo.
Teboka telo lehibe no namehezany ny fehin-kevitry ny vondrona SADC. Voalohany dia nilaza i Andry Rajoelina fa nanaja ny fiandrianam-pirenena ny SADC ary nanaiky ny datim-pifidianana navoakan’ny CENIT sy ny Firenena Mikambana. Manaiky ny mpitondra sy ny rafi-pitantanana misy eto ihany koa ny SADC, hoy izy, ary tsy nisy mihitsy ny faneriterena. Faharoa dia mahakasika ny filatsahan-kofidiana. Tany Seychelles dia nandroso hevitra ny amin’ny tsy hilatsahako hofidiana koa aho, hoy ny filohan’ny tetezamita raha toa ka izay no hampilamina ny firenena ary raha toa ka aorian’ny fifidianana vao mody an-tanindrazana ny filoha teo aloha, no sady tsy manakorontana intsony. Nambarany anefa fa tsy nanaiky izany Atoa Marc Ravalomanana, koa noho izany dia efa tsy manankery intsony koa izany io tolo-kevitra io. Amin’ny fotoana maha mety azy dia hilaza ny hevitro ny amin’ny ho filatsahako hofidiana na tsia aho, hoy ihany i Andry Rajoelina. Ny teboka fahatelo farany moa dia mahakasika ny fodian’ny filoha teo aloha eto Madagasikara.
Hisy ny fanadihadiana manokana momba ny filaminana sy fandriampahalemana hotanterahan’ny Troika sy ny mpitandro filaminana malagasy ary ny fitondrana tetezamita momba azy io, hoy i Andry Nirina Rajoelina. Fe-potoana iray ka hatramin’ny roa volana no hanaovana izany, dia ho hita eo indray ny dingana manaraka avy eo. Tsy misy maniry ny hisian’ny korontana eto, hoy izy ary ny SADC dia mitady ny hevitra rehetra hampilamina, koa noho izany dia zava-dehibe loatra io fanadihadiana mialoha ny mety ho fiantraikan’ny fiverenan’ny filoha teo aloha eto io, amin’ny resaka filaminana. Tsy voatery hoe rahampitso, na amin’ny herinandro na afaka tapa-bolana dia ho tonga eto ny filoha teo aloha, hoy i Andry Rajoelina fa mbola miandry izay mety ho vokatry ny fanadihadiana. Efa tsy ao anaty tabilao intsony kosa, hoy ihany ny filohan’ny tetezamita ny hoe tsy maintsy milatsaka hofidiana ny filoha teo aloha. Momba ireo jeneraly telo nanara-dia azy tany Maputo kosa dia notsipihany mazava fa nahazo fanasana manokana avy amin’ny SADC izy ireo, ary ity vondrona ity no niantoka ny lany rehetra momba azy ireo tany Maputo.
Faly aho fa nanapa-kevitra amin’izay ny SADC, hoy ny filohan’ny tetezamita ary afaka miroso amin’ny fifidianana isika. Samy nahatsikaritra moa ny mpanao gazety teny Ambohitsorohitra, omaly hariva fa tsy be resaka tahaka ny mahazatra i Andry Rajoelina ary tsy nanao esoeson-teny momba ny filoha teo aloha intsony, tahaka ny fanaony. Tsikaritra ihany koa fa niova ny fomba firesany ary tsy mitsivalana be fahatany amin’ny fodian’i Marc Ravalomanana izy. Ilay hoe fisamborana aza moa dia tsy nisy resaka intsony. Momba ny raharaham-pitsarana mahazo ny filoha teo aloha indray dia nanjavozavo be ihany ny hevitry ny filohan’ny tetezamita raha nilaza izy hoe : ny marina tsy mba maty ! Hita fa dia nilefitra ihany ny farany i Andry Rajoelina, ary tsy mitsipaka intsony ny fodian’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara, ary na dia namerimberina aza izy, omaly fa tsy nisy ny teritery dia hita mibaribary be fa mafonja dia mafonja ny tsindry nataon’ny SADC taminy, mba hanekeny ny hiverenan’ny filoha teo aloha an-kalalahana eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.