Politique

Andry Rajoelina Nihaona tamin’ny filohan’ny SADC


  • Zoma 25 Mey 2012

Araka ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny fiadidiana ny tetezamita dia nandao an’i Madagasikara omaly maraina ka nihazo an’i Angola ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina.

 Voalaza fa hisy ny fihaonana sy dinika hifanaovany amin’i Edouardo Dos Santos filohan’i Angola no sady filoha am-perinasan’ny SADC ihany koa. Efa nanatsidika an’io ihany moa ny tenany ny talata hariva teo teny Ambohitsorohitra nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety. Araka ny nambaran’ny filohan’ny tetezamita ihany dia manodidina ny fiomanana amin’ny fifidianana, sy ny fanatanterahana ny tondrozotra ny resaka any Angola any. Atoa Rajoelina moa dia efa nilaza fa vonona ny hanampy antsika amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana ry zareo ao amin’ny SADC. Anio ihany moa dia ho tafaverina an-tanindrazana ny filohan’ny tetezamita ka inoana fa hisy ny fanazavana misimisy kokoa avy aminy momba ity fihaonana amin’ny filoha Santos ity.

Tsara ho marihana fa ny Vondrona Eorôpeana sy ny SADC, na dia milaza ho vonona ny hanampy sy hanohana an’i Madagasikara amin’ny fifidianana tsy maintsy atao aza, dia maneho hatrany ny ahiahin’izy ireo amin’ny toe-draharaha misy eto Madagasikara amin’izao fotoana. Samy mitaky ny hampiharana manontolo ny tondrozotra ireo vondrona roa ireto ary miantso ihany koa ny mpanao politika mba hahay hifandefitra sy hifampiresaka. Tsara ho tsipihina ihany koa fa efa ho roa taona izao, ireo fikambanana iraisam-pirenena ireo no nilaza fa hanohana sy hanampy antsika amin’ny fikarakarana fifidianana, saingy tsy hita ihany izay tena asa mivaingana nataon’izy ireo afa-tsy ny fandefasana delegasiona mandritra ny andro vitsivitsy eto.

Raha ny tena marina dia miray feo ny sehatra iraisam-pirenena, ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra ihany no lalan-kizorana ho azy ireo, ka raha mbola mandringa tahaka izao ny fiaraha-mitantana, raha mbola misy ny mpanohitra ny tetezmaita midina an-dalambe, raha mbola tsy voalamina ireo fitokonana etsy sy eroa, dia tsy hisy mihitsy izany fanampiana avy anyivelany izany. Ary dia hihemotra ho azy ny fifidianana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT