Politique

Andry Rajoelina Naka tahaka fa tsy nanova


  • Talata 24 Aprily 2012

Ho an’ny maharaka tsara ny tantara sy ny fiainam-pirenena dia mahita fa tsy i Andry Nirina Rajoelina mihitsy no azo ianteherana hitondra fanovana eto.

 Ary rehefa tena nodinihana tokoa ny zavatra ambarany sy ataony dia tsikaritra fa toa naka tahaka fotsiny ireo filoham-pirenena teo aloha izy. Eo amin’ny fihetsika, ny fiteny imasom-bahoaka sy ny kabary aloha dia manakaiky ny amiraly Ratsiraka. Eo amin’ny fandaharan’asa sy paikady politika kosa dia mampatsiahy an’i Marc Ravalomanana, mazoto mitety faritra, manana fandaharanasa hanamboatra fotodrafitrasa goavana, tahaka ny lalana, hopitaly, tsena, kianja. Izao dia manomboka miseho ho manaja ny tontolo iainana ihany koa. Mialoha izany moa dia efa nanandrana nanao ny tsena mora teto Antananarivo sy tany amin’ny faritra hafa izy, izay tahaka ny manana endrika Magro kely izany rehefa tena dinihana.

Raha tsorina ny resaka dia maro no mieritreritra fa ny Madagasikara Am-perinasa ihany, na ny MAP no novaina endrika kely, ka ezahan’i Andry Rajoelina tanterahana tsimoramora eny. Efa nisy rahateo ny filazana fa tsy mbola maty ny MAP satria misy ireo famatsiam-bola mbola mitohy, amin’ny fanatanterahana ireo asa efa natomboka. Ary misy mihitsy aza moa ny olona sasany nahatsikaritra fa tena mianatra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary maniry mafy ny ho toa azy i Andry Rajoelina. Raha izay no izy, dia tsy hita akory izany izay hoe fanovana nentin’i Andry Rajoelina teto fa dia nangala-tahaka ireo filoha teo aloha fotsiny izy, ary ny tena manahirana aza dia ratsy tantana kokoa ny fitondrana ankehitriny, noho ny tsy fifankahazoan-kevitra eo amin’ny samy manampahefana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT