Matin-tsikera i Andry Rajoelina sy ny fitondrany omaly nanaovan’ny amiraly Didier Ratsiraka azy nandritra ny fandaharana manokana, nanasan’ny TV Plus azy.
Tsy matin’ny Deba lolo hatramin’izao ny tsy nanomezan’i Andry Rajoelina azy trano, izay zony feno amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha azy. Nataony vaky bantsilana koa fa nambanan’ny miaramila tamin’ny basy ny praiminisitry ny marimaritra iraisana, Mangalaza Eugène, ka nahatonga ity farany nanapa-kevitra hijanona tamin’izany andraikitra izany satria efa mihatra aman’aina. Nokilasian’ny amiraly ho “fanonganam-panjakana” mihitsy io nihatra tamin’i Mangalaza Eugène io. Fa nokororohin’i Deba ihany koa ka nilazany fa “tetezamita mampihomehy” ny fifanoherana sy ny tsy fanarahan-dalàna miseho amin’izao. “Lalàmpanorenana sa tondrozotra no arahina eto ?”, hoy i Didier Ratsiraka. Izy ihany no namaly fa tondrozotra no mametraka an-dRajoelina ho filohan’ny tetezamita, ka tondrozotra no arahina.
Nampiany fa ireo mpitondra fanjakana dia tokony ho efa nametra-pialana ny andro namoahan’ny CES ny lisitr’ireo kandida filoham-pirenena, nefa efatra andro (omaly 7 mey), tsy mbola nisy nametra-pialana na iray aza. Ankoatra izay dia hita ho tsy mbola maty voalavo an-kibo amin’i Marc Ravalomanana sy ny fitondrany ny amiraly, saingy nilaza fa vonona hifamela ary hifampidinika handravonana ny disadisa sy hametrahana vahaolana maharitra tsy hiverenan’ny krizy intsony, ka nanindriany ny maha zava-dehibe ny hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny samy Malagasy. Tsy mpanakorontana aho, tsy maika hitantana ny tetezamita fa mba te hitondra ny anjara birikiko amin’ny fanarenana an’i Madagasikara, hoy ny amiraly Ratsiraka. Vitako matoa niditra ho kandida aho, hoy izy, na ara-batana izany na ara-tsaina.
Fa tsy nanafina ny ahiahiny amin’ny fifidianana ho avy ny amiraly. Nambarany fa mety tsy ho tratra ny hanatanteraka fifidianana amin’ny 24 jolay 2013, satria eo amin’ny lafiny ara-teknika aloha dia mety tsy ho ampy ny fotoana hany sisa ananana. Nambarany fa aorian’ny fanaovana antsapaka mba handaharana ireo kandida ao anatin’ny bileta tokana hotanterahin’ny CENI-T amin’ity anio ity, dia mbola hatonta printy any Afrika Atsimo ireo bileta tokana. Averina eto Madagasikara avy eo, ary dia mbola asa be indray ny fanaparitahana azy ireo amin’ireo birao fandatsaham-bato efa ho 19 000 manerana an’i Madagasikara.
Araka ny fahitan’ny Amiraly azy dia mbola olana hafa koa ny fampianarana ny Malagasy ny fampiasana ny bileta tokana. Nametra-panontaniana moa ity filoha teo aloha ity manao hoe : raha tena tsara ny bileta tokana nahoana no tsy mampiasa azy ireo firenena lehibe tahaka an’i Etazonia, Japon, France, Pays Bas, fa nahoana no aty amin’ny tany an-dalampandrosoana no terena hampiasana ilay izy, kanefa tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny ankamaroan’ny olona ? Tsy mety io bileta tokana io, hoy i Didier Ratsiraka fa tena kitoatoa, ary vao mainka zava-doza, hoy izy ny hoe fifidianana goavana be tahaka ny fifidianana filoham-pirenena no hisantarana sy hanandramana ny fampiasana ny bileta tokana. Nanamarika koa i Didier Ratsiraka fa Ramatoa Atallah Béatrice, filohan’ny CENIT dia mbola mpanolotsain’ny minisitry ny vola . ”Mety ve izany ? Azo heverina ve fa tena tsy momba ny atsy na ny aroa tokoa ny filohan’ny CENI-T ?”, hoy ny Amiraly. Hafahafa ihany koa ny fisiana rafitra roa dia ny CENI-T sy ny CES, hikarakara ny momba ny fifidianana, araka ny fahitan’ny Amiraly Ratsiraka azy. Io no nahatonga ny gidragidra nahafatesana olona 3.000 mahery tany Cote d’Ivoire farany teo, hoy izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.