Lasa resabe indray ny dian-dRajoelina tany Ambilobe nandritra ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy ny 8 martsa lasa teo.
Maro ny fanehoan-kevitra milaza fa nijapy ny fisian’ny olona marobe tany an-toerana nanamarika ny andron’ny vehivavy ny tenany. Tsy dia iadian-kevitra firy na nijapy masinina tokoa na namory olona satria zon’ny olom-pirenena tsirairay eto Madagasikara ny madeha amin’ny toerana tiany haleha sy mihaona amin’ny vahoaka tiany hihaonana, saingy misy no verezin-jo tsy havela hanao izany eto. Nahoana no tsy niharan’ny antsojay sy nosakanana toy ny fanaon’ny fanjakana HVM amin’i Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina ? Lafiny roa no hahafaha-mamaly io fanontaniana io, dia ny mety ho fisian’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny HVM sy ny MAPAR satria raha ny tantara tany aloha sy ny zava-misy amin’izao fotoana izao, dia i Marc Ravalomanana no tena manahirana ny an-daniny sy ny an-kilany eo amin’ny sehatra politika, ary atahorany mafy hahazo fahefana. Tsy voatery nihavana be ny samy taranaky ny fanonganam-panjakana fa mpifanandrina iraisana i Marc Ravalomanana ka aleo aloha tsy dia mifampihetraketraka loatra sao hiara-tavela eo ny HVM sy ny MAPAR. Amin’ny lafiny iray ihany koa anefa dia tsy levon’ny vavonin-dRajoelina mandrak’ankehitriny ny namadihan-dRajaonarimampianina azy, ka toa sarotra inoana io. Politika anefa no lalaovina, ka tsy hay izay zavatra mandeha any ambadibadika any. Mora kokoa ho an’ny filoha ankehitriny sy ny HVM anefa ny mifehy an-dRajoelina satria any am-pelatanany ny ankamaroan’ny dosie maloton’ny tetezamita. Lojika, araka izany, ny hamelana malalaka azy aloha satria tsy atahorany sy azony fehezina mora foana. Atahoran’ny HVM mafy kosa i Marc Ravalomanana, ka hitadiavana làlana ambanin’ny tany hamotehana azy, ary mety amin’ny MAPAR tsara ihany koa io atao amin’i Marc Ravalomanana io. Tahotra sy hakanosana avokoa izany fa raha tena mahazaka demokrasia sy mahatoky valera dia havela hilatsaka ny rehetra hahafahana mifampitsapa hery.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.