Dia mitohy hatrany ny tsy fanajan'i Andry Rajoelina ny tondrozotra ka hanaporofoany amin'ny rehetra fa mpitari-bato vilam-bava sy tsy manaja ny zavatra nekeny izy.
Taorian'ny fanombohan'ny asa amin'ny fanamboarana ny hopitaly manara-penitra sy ny fividianana ireny fiaramanidina Airbus A340-300 “bônôkany” roa ireny dia raikitra indray ny fanorenana kianja manara-penitra. Anjaran’ny Faritra Menabe indray izao, ka napetraka tao Morondava ny sabotsy 21 aprily teo ny vatofehizoron’ny asa, ho mariky ny fanombohana ny asa. Tsy misy maharatsy ny fanamboarana fotodrafitrasa mihitsy, saingy ny fitondrana voafidim-bahoaka, ara-dalàna ary tsy voasazin'ny sehatra iraisam-pirenena, fa mahazo famatsiam-bola tsara, no manao izany. Ny tondrozotra nosoniavina tamin'ny 17 septambra 2011 rahateo dia efa milaza mazava fa tsy tokony hiroso amin'ny fanaovana fifanarahana na tetikasa goavana sy lavitrezaka ny fitondrana tetezamita, fa manao izay hampandeha ny fitantanan-draharaham-panjakana fotsiny, ary laharampahamehana voalohany ho an'ny fitondrana tetezamita ny fametrahana ny fitoniana sy ny fikarakarana ny fifidianana. Ka eo indrindra no mahalasa ny fisainana hoe : ny fitoniana politika sy sosialy ity tsy mbola misy, hatramin'izao mbola ankamantatra na hisy fifidianana, na tsia amin'ity taona ity, ny olana mipoitra isaky ny sehatr'asa, kanefa dia dedaka amin'ny fanamboarana kianja manar-penitra i Andry Rajoelina.
Tena ilain'ny tanora mihitsy ny kianja, saingy mialoha ny kilalao sy fanaovana fanatanjahantena ary ny fijerena fampisehoana, dia mila karakaraina sy hatsaraina aloha ny fanabeazana sy fampianarana azy ireo. Ny mpampianatra migrevy, dia manana fotoana malalaka ny ankizy, dia lasa mifampitaritarika, dia ireny iaraha-mahita ireny fa midoroka zavamahadomelina amin'ny andavanandro any amin'ny trano fandihizana. Tsikaritra koa izao fa tena mitotongana ny fari-pahaizan'ny mpianatra eto Madagasikara, satria efa mihatra any an-tokantrano ny krizy, hany ka tsy mifantoka amin'ny fianarana intsony ny ankizy, fa manonofy hanao fahagagana fotsiny, satria toa hoe : mahavita azy, hono, ny tanora ary na tsy dia manana diplaoma aza, dia mety ho lasa manampahefana ihany any aoriana any, araka ny hiran'ilay mpanakanto iray izay. Miha maro ihany ankehitriny ny olom-pirenena resy lahatra fa tompon'andraikitra voalohany amin'izao fahorian'ny firenena izao i Andry Rajoelina, ka ny mandroso vahaolana tena mahomby no tokony hataony, fa tsy miezaka ny manodina ny saim-bahoaka amin'ny alalan'ny fihetsiketsehana ety ivelany fotsiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.