Efa miomana fatratra ho kandidŕ amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 ny filohan’ny HAT, Andry Rajoelina.
Porofon’izany ilay fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny ny taona nataony teny amin’ilay tanàna be etsy Betsizaraina Ambohimangakely, ny fitsidihany tany Atsimo … Mitetika ho kandidà tokoa ity mpanongam-panjakana ity saingy adinony ny fisian’ny raharaha 26 janoary 2009, izay ny tenany no nitarika ny olona hidina an-dalambe ka nahamay kila an’Antananarivo ary namoizana ain’olona mihoatra ny 500. Tsy maintsy hisokatra ny fanadihadiana manodidina io « Alatsinainy Mainty » io ka dia hiaraha-mahita ny tohiny.
Etsy an-daniny, nampiasa ny Fitsarana ho fitaovana politika ny fitondrana Tetezamita ka nanameloka higadra mandra-pahafatiny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny tsy hamelana ity farany hody an-tanindrazana sy hirotsaka kandidà filoham-pirenena tsotra izao anefa no tanjon’ny HAT tamin’izany. Tsiahivina amintsika mpamaky fa ny raharaha 7 febroary 2009 ihany no notsarain’ny fitondrana Tetezamita fa tsy sahy nitondra ny raharaha 26 janoary 2009 teny amin’ny Fitsarana izy ireo. Satria nisy tompon’andraikitra voalohany tamin’izany ?
Ankoatra ireo rehetra ireo anefa dia tokony hosokafana ny fanadihadiana manodidina ireo vola be an’arivony miliara notantanan’ny Tetezamita. Voalohany indrindra amin’izany ny loharanon’ireo harem-be azo nandritra ny HAT na eto an-toerana na any ivelany, tahaka ireo mpitondra jadona sy mpanongam-panjakana rehetra any Afrika.
Efa eto an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay nitaky ny tokony hamerenana ny fitsarana ny tenany momba iny raharaha 7 febroary 2009 iny. Maro koa ireo fijoroana vavolombelona manodidina ny raharaha 7 febroary raha tsy hilaza afa-tsy ny kolonely Charles Andrianasoavina fotsiny ihany. Tokony hotsaraina tahaka izany koa anefa ny raharaha 26 janoary 2009 ahitana ny marina mikasika ireny fandoroana orinasa maro be sy famotehana an’Antananarivo Renivohitra ireny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.