Politique

Andry Rajoelina Mipitrapitra sisa !


  • Zoma 05 Aprily 2013

Malok’endrika, tsy mitsikitsiky tahaka ny fanaony, tsy be resaka, tahaka ny lasa vinany izany ny fahitana ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina teny amin’ny fitsarana an-tampony Anosy omaly maraina raha nanatrika ny fianianan’ireo mpikambana ao amin’ny CES (cour electorale speciale).

 Nisoritra teny amin’ny tavany, tsapa tamin’ny fihetsiny fa sahiran-tsaina tanteraka ny filohan’ny tetezamita manoloana ny fitantanana ny firenena sy ny raharaha politika. Tato ho ato tokoa mantsy dia ireo olona ambany fahefany no tonga dia manapa-kevitra sy manao an’izatsy na izaroa, nisy mihitsy aza ny minisitra nangataka ny nanafoanana ny filankevitry ny governemanta ary dia nekena izany. Rehefa tsy misy moa ny filankevitry ny governemanta tarihan’ny praiminisitra dia tsy misy ho azy koa ny filankevitry ny minisitra tarihan’ny filoha. Toa anaram-boninahitra sisa ilay hoe : filohan’ny tetezamita fa raha ny tena marina dia efa tena nihena be ny fahefana eo am-pelatanan’i Andry Rajoelina ary tsapany tsara izany.

Azo tombanana fa tena tahaka ny tehamaina ho an’ny filohan’ny tetezamita ny filatsahan-kofidian’i Hajo Andrianainarivelo sy ny fanohanan’ny AVI an-dRatsirahonana azy, ny elatra UDR-C efa manana an’i Lahiniriko Jean, kandida ihany koa i Roland Ratsiraka, koa dia mihanjahanja irery eo ny TGV  sy ny tsy fahamatorany amin’ny fanaovana politika. Maro no miahiahy fa hanao fanambarana bontolo momba ny kandida izay hotohanany ity antoko ity ny sabotsy izao. Mampiasa saina an’i Andry Rajoelina avokoa izany rehetra izany, tsy resahana intsony ny aretin’ny toekarem-pirenena, ny tsy fahampian’ny vola eo am-pelatanana sy ny tsy mbola fiverenan’ny famatsiam-bola avy any ivelany. Ireo orinasa vahiny goavana mpitrandraka harena ankibon’ny tany eto amintsika ihany koa dia efa tsy manaiky rahonana intsony, ka aleon’izy ireo manakatona tanteraka ny ozinina rehefa tena manohy ny toetran-tsy zaka sy ny vava tsy ambina tahaka ny nataony tany Toamasina i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa aminy. Efa-taona aty aorian’ny nanonganany ny fanjakana dia mipitrapitra mampalahelo sisa ny filohan’ny tetezamita fa nilaozan’ireo namany, ary raha tsy mahay mamindra dia mety ho tavela irery eo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT