Tsy ratsy ny finiavan-dRajoelina hanarina ny Rovan’i Manjakamiadana izay nambarany ny alahady 27 janoary teo saingy ao anatin’ny laharam-pahamehana ve izany ?
Inona no nahamaika tampoka teo ? Raha ny zava-misy dia mandalo fotoan-tsarotra ny vahoaka amina faritra maro manerana ny nosy satria dibo-drano sy traboina. Tany amin’ny faritra no tena nahazoan’i Andry Rajoelina vato betsaka tamin’ny fifidianana, raha tsy hilaza afa tsy Antsiranana sy Toliara. Ny tany Atsimo aza moa dia nisy taham-pandraisana anjara maherin’ny 100% ary misy mahatratra 140% mihitsy. Dibo-drano ny ankamaroan’ny tanàna ary ny sabotsy teo no nandefasan’ny fahitalavitra iray manohana azy ny horonantsary fanadihadiana ny fahoriana ateraky ny fiakaran’ny rano sy aretina mahazo ny olona, toy ny kitrotro. Ny alahady anefa, dia tsy nampoizin’ny maro iny fanambaran-dRajoelina iny satria amin’ny lafiny iray, dia vakoky ny fanjakana Merina tamin’ny andron’ny faha Mpanjaka ny Rovan’i Manjakamiadana, izay vao lasa vako-pirenena taty amin’ny andron’ny repoblika. Maro ny any amin’ny faritra no manomboka mampiaka-peo sy te hamerina ny tenin’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa hoe : “Tsy Antananarivo irery akory i Madagasikara” nanomboka tamin’ny firafitry ny governemanta, ary mitohy amin’izao hikitihan’i Andry Rajoelina ny Rovan’i Manjakamiadana izao. Sao dia misy mampijabaka sahady ary ity filoha ity amin’ny zavatra hataony ? Tsy tao anatin’ny kabary sy vina nolazain’i Andry Rajoelina velively ny fikitihana ny Rova, saingy mahagaga ny fahatairana tao aminy ka nahavita nilaza mihitsy fa ho vita amin’ny fetim-pirenena ny 2020. Nahoana no tsy mba sahy namaritra mazava tahaka izany tamin’ireo fampanantenana toy ny hoe: Ambatondrazaka havadika tahaka an’i Paris ary Toamasina ho lasa tahaka an’i Miami ? Maro ny olana sedrain’ireo faritra roa ireo ankoatra ireo hafa maro be. Nolazaina fa hamboarina ny lalam-pirenena faha-44. Ny any Toamasina hatao tahaka an’i Miami dia miaina anaty delestazy saika isan’andro ka ny fanalavana azy dia efa ataon’ny olona vazivazy hoe: “Miaina anaty maizina isan’andro”.
Nidina tany Beloha Androy moa i Andry Rajoelina omaly, ka nilaza fa hamboarina ny RN13 miainga avy ao Tolagnaro sy Ambovombe, nanome masomboly,… Ny Vary Mora 57 taonina kosa mbola an-dalana noho ny fahataran'ny fiara mpitatitra entana sy ny haratsian-dalana. Tany Atsimo Andrefana, dia nampanantena fa hanamboatra vovon-drano manaraka ny fenitra ilaina sy ara-pahasalamana miisa 100. Nijery ifotony ny fefilohan'i Fierenana mba hijerena ny ho fanamboarana azy mba tsy hisian'ny tondra-drano ho an'ny tanànan'i Toliara,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.