Politique

Andry Rajoelina Mihena ny fitiavan’ny olona azy


  • Alatsinainy 30 Janoary 2012

Manomboka mibaribary ankehitriny fa mihena ny fitiavan’ny olona ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina.

 Azo hanaporofoana izany ny fahavitsian’ny olona mitsena azy sy mihaino ny kabariny rehefa mitsidika faritra izy. Raha ny eto Antananrivo renivohitra manokana nifidy azy ho Ben’ny tanàna tamin’ny 2007 moa dia efa tena latsaka ambany mihitsy ny salanisany, satria raha natao ny fanadihadiana tsotsotra, dia manodidina ny 25%-n’ny olona eto Antananarivo Renivohitra sisa no mbola matoky an’i Andry Rajoelina, fa ny ambiny kosa dia na diso fanantenana, na tezitra sy sorena tamin’ny nataon’ny FAT ka tsy mila an’izany Andry Rajoelina izany intsony. Efa lasa nofinofy sisa ireo olona maro be namaly ny antson’ingahy Ben’ny tanàna, teny amin’ny Kianjan’ny demokrasia, telo taona lasa izay.

Ilay kianja rahateo moa nakatony vantany vao lasa filohan’ny tetezamita izy. Maro be loatra ireo fampanantenana nabosesika tany anaty kabary mba hambaboana ny fon’ny olona tamin’ireny fotoana ireny, hany ka maro ihany ireo nanantena fa tena hitondra fanovana goavana eto amin’ny firenena tokoa ilay tovolahy. Tahaka izao indrindra ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina iray momba ity raharaha ity : “raha ny fahitana azy amin’izao fotoana dia tantara sisa ireny fitiavan’ny olona ny filohan’ny tetezamita ireny. Simban’ny politika politisianina i Andry Rajoelina, difotry ny hafetsifetsen’ireo dinaozoro politika manodidina azy, ary jamban’ny fankahalana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, no sady diso paika nanaiky nataon’ny Frantsay saribakoliny. Sarotra aminy ny hahita ny vahaolana, ary raha tafavoaka aza izy dia sempotra sy ho reraka ary tsy maintsy mitady hevitra hafa, vaovao indray hambaboana ny fon’ny vahoaka”.

Vao mainka nanaratsy endrika ny filohan’ny tetezamita ihany koa ny fanakanany mivantana ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, mitombo isa ny olona sosotra aminy, noho izany no sady vao maika tsy matoky azy ihany ny sehatra iraiam-pirenena satria tena porofon’ny tsy fananany finiavana politika hametraka ny fitoniana sy ny tetezamita iaraha-mitantana izany; ary tena miendrika ho fanimbazimbana ny tondrozotra, izay fifanarahana politika natao handaminana ny fitantanana ny tetezamita sy ny firenena. Maro, araka izany, no mahita fa tena nihena be mihitsy ny lanja politikan’i Andry Rajoelina ary tena mitombo isan’andro ny tezitra aminy sy ireo mpiara-dia taminy, miala an-daharana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT