Politique

Andry Rajoelina Mihantsy ady amin’ny mpitsara koa


  • Zoma 23 Desambra 2011

Nolazainy am-pahasahiana indray fa tsy tokony hatao takalon’aina ny vahoaka.

 Tokony handray ny andraikiny ireo sendika ka hampijanona ny fitokonana. Anisan’ny nisongadina ireo tamin’ny fanazavan’ny filohan’ny FAT omaly nandritry ny fisarihana ireo izay hahazo ny trano mora teny Anosiala Ambohidratrimo. Mbola nambarany ihany koa fa tsy azon’iza baikoina izy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, manoloana ny zava-misy ankehitriny. Mazava ho azy fa fihantsiana ady amin’ny mpitsara sy ireo izay mitaky ny zony izany filazana izany. Ary koa valin-kafatra amin’ny praiminisitra Beriziky, izay toa manan-kevitra ny hanoloana miaraka ny minisitry ny fitsarana sy ny minisitry ny filaminana anatiny.

Tsy maintsy niteny ve dia niteny sa kosa tsy noeritreretina izay notenenina ? Efa samy miezaka mantsy ny tsirairay avy izay voakasik’iny raharaha mafana iny, ary tsy lavina fa misy ihany ny fanararaotana ara-politika ao ambadika. Efa nentina avy any Toliara ireo polisy tompon’andraikitra, efa nidina tany ny minisitra iray izay voakasika, ny marimarina kokoa ny minisitry ny polisy izay nilaza fa vonona ny hiala raha ilaina izany. Efa mizotra ho any amin’ny famahana ny olana, araka izany, ny toe-javatra izay misy ankehitriny. Toa avo fiteny tampoka anefa ny filohan’ny FAT omaly ary raha ny fahazoana azy dia toa mandrehitra ny afo izay efa an-dalam-pahafatesana. Tsy azon’iza baikoina amin’izay fanapahan-keviny ny filohan’ny FAT raha ny filazany. Marina izany ! Raha ny vaovao azo anefa dia vao nitalaho tamin’ny sendikan’ny mpitsara ny tenany mba handray ireo izay nahavita heloka bevava farafaharatsiny, mandra-pivahan’ny olana. Asa angaha…

S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT