Politique

Andry Rajoelina Miezaka mafy mampivondrona ny ekipany


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Nifampiarahaba sy nifampirary soa noho ny taom-baovao 2018 ny vondrona Mapar sy ireo mpiara-dia azy notarihan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina.

 

Teny Ambohimangakely no nanatanterahana ny lanonana ny sabotsy lasa teo ka artista maromaro tombanana fa efa hiara-dia amin’i Andry Rajoelina amin’ny propagandy no tazana teny an-toerana toa an’i Dah Mama, Farah Jones, Jean Aimé, Arione Joy, Barinjaka …Anisan’ny nanatrika teny ihany koa ny mpanao politika toa an-dry Christine Razanamahasoa, Augustin Andriamananoro, Elysée Ratsiraka, Michelle Ratsivalaka, Sylvain Rabetsaroana sy ireo maro hafa izay efa mpiara-dia tamin’ny filohan’ny tetezamita hatrizay. Hita tao anaty olona tao ihany koa ny mpandraharaha mpanefoefo Mamy Ravatomanga, namana mahatokin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha ary mpandraharaha tsy nahalala krizy fa vao miha aza niroborobo ny orinasany nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita ka hatramin’izao. Tsy mbola nisy aloha ny fanambarana ofisialy nataon’i Andry Rajoelina ny amin’ny maha kandida azy na tsia. Tsikaritra kosa fa miezaka mampivondrona ny ekipany sy ireo izay olona vonona hiaraka aminy izy na dia re ihany aza fa misy ny olana. Tsy vitsy mantsy ireo milaza azy ho tena TGV iringiriny no efa tsy faly loatra tamin’ny fananganana ny Mapar, avy eo nisy ny vondrona Armada, izao indray misy ity hoe IEM ity. Manahy izy ireo fa sao olona mitady seza fotsiny na sanatria tena mpitsikilo paikady mihitsy no hibosesika ao anatin’ilay Vina sy Tetikasa IEM ka ho maty ho azy aty am-boalohany ny ezaka rehetra atao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT