“Gisalahy homan-ketsa, ka izy mangalatra indray no avo vava”. Oha-pitenenana diso fantatry ny Malagasy loatra io, izay azo amintinana ny resaka nataon’ny filohan’ny tetezamita omaly teny Ivato rehefa avy tany Vatican tany ny tenany, nihaona tamin’ny Papa François, ary avy eo tahaka ny mahazatra, dia nandalo kely tao Parisy renivohitra Frantsay.
Milaza ny ho velon’ahiahy ny amin’ny zava-misy sy mety hitranga eto amin’ny firenena i Andry Rajoelina noho ny hamaroan’ny kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy misy ny tena tia tanindrazana, hoy izy fa ny mpanao politika no nanjaka teto Madagasikara tato anatin’ny efa-taona ary tena hita izao fa maro no tia fahefana. “De gaga elah”, hoy ilay fitenenana zary tsy afaka am-bavan’ny maro izay. I Andry Rajoelina nitarika ny fanonganam-panjakana, nandrombaka ny fahefana tamin-kery fototr’izao krizy tsy mety mivaha hatramin’izao indray ity no miseho manome lesona ny rehetra sady miezaka manala tena ao anatin’izao savorovoro tsy mety tapitra izao. Kianin’i Andry Rajoelina ireo mpanao politika niaraka taminy, nifandray tanana sy nifanoroka taminy teny amin’ny La Rotonde Besarety raha niomana ny hanongam-panjakana izy, lazainy ankehitriny fa tsy tia tanindrazana sy tia fahefana fotsiny. Izao ve i Andry Rajoelina vao tonga saina amin’izany ? Fa taiza izy no tsy nandinika lalina tsara dieny tany am-boalohany ?
Aoka hazava ny resaka
Anio dia efa handao an’i Madagasikara indray ny filohan’ny tetezamita fa hoe hihaona amin’i Kikwete, filoha Tanzanianina sady filoha am-perinasan’ny Troikan’ny SADC, hilaza ny zava-misy eto Madagasikara, ny momba ny fifidianana, ny fifanarahana natao tany aloha sy ny fifanarahana tsy voahaja (hono) ary milaza ny handroso vahaolana hivoahana amin’ny krizy ihany koa. Nokianiny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa hoe tsy nanaja ilay “ni…ni”, (hono), satria nanolotra an’i Lalao Ravalomanana ho kandida, satria toy ny hoe i Marc Ravalomanana ihany no kandidan’ny ankolafy Ravalomanana. Azoko natao tsara ny nanolotra ny vadiko (Mialy) ho kandida, saingy tsy nanao izany aho, satria nitazona ny teny nomeko, hoy izy. Sao mba te hilaza fa diso safidy kandida no marimarina kokoa e ! Milaza ny maha zava-dehibe ny tokony handrafetana fifanarahana ho an’ireo mpanao politika mba hisian’ny filaminana koa i Andry Rajoelina, ka hanolotra drafitra hametrahana fifanarahana hiantohana ny fandriampahalemana sy ny filaminana.
Omaly ihany dia niteraka resabe eraky ny tanàna sy tamin’ny tranokala ireo fanambarana nataon’ny filohan’ny tetezamita ireo, ka nipetraka ny fanontaniana hoe : fa inona marina no tian’i Andry Rajoelina hahatongavana e ? Te hifikitra eo amin’ny fitondrana, hanalava ny tetezamita ? Tsy matoky ny kandidany, satria tsy ho tana ny filatsahan-kofidian-dRtoa Lalao Ravalomanana izay hitany fa “favori” ? Mikasika kosa ny fitsongolohany ny firotsahan’ny vadin’ny filoha teo aloha dia aoka hazava ny resaka ! N’aiza n’aiza maneran-tany dia tsy misy fifanarahana manokana ambonin’ny lalàna izany. Na ny lalàmpanorenan’ny FAT tamin’ny 17 novambra 2010, ao amin’ny andininy faha-12, aza anie ka milaza mazava fa malalaka ny fivoahana sy ny fidiran’ny olom-pirenena iray ny fireneny e !
Fanitsakitsahana zon’olombelona ny mifanohitra amin’izay, Ramatoa Lalao Ravalomanana rahateo dia olom-pierenana Malagasy mizaka zo feno. Ankoatra izay koa dia tsy mitombina velively ny filazana fa tsy voahaja ny “ni…ni” satria voalohany dia mahakasika an’i Lalao Ravalomanana izany, ary tsy nanao sonia izany ity farany. Manaraka dia tsy nirotsaka i Marc Ravalomanana, izy tenany, ary nilaza ity farany fa tsy ho avy eto Madagasikara raha tsy vita ny fifidianana. Manaraka izay, ny fandrotsahany an-dRtoa Lalao Ravalomanana vadiny amin’ny fifidianana dia midika ho fandraisany anjara amin’ilay dingana famahana ny krizy. Fanehoana fahavononana politika goavana nasehony izany. Marina fa ny lafiny araka ny lalàna no sahanin’ny CES nefa tsy azo odian-tsy hita io resaka io satria mitondra fitoniana ihany koa.
Misalovana
Etsy an-kilany dia fantatry ny rehetra tsara fa i Andry Rajoelina izy tenany mihitsy anie no mitsivalana amin’ny fanatanterahana ny andininy faha-16 sy faha-17 ary faha-20 ao amin’ny tondrozotra momba ny gadra politika, fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT sy ny fodian’ireo sesitany politika rehetra e ! Ankehitriny anefa dia izy indray no milaza fa misy tsy tanteraka, hono, na misy tsy nohajaina ny fifanarahana natao tany aloha. Fa fomba ratsy mahazatra ny FAT koa ity miteniteny ity isaky ny hamoaka didy mahakasika dosie goavana ny fitsarana, fihetsika izay misalovana ny asan’ny mpitsara no manohintohina ny fahaleovantenan’ny fitsarana ihany koa. Tena mahagaga sy mahatalanjona ny zavatra tahaka izany. Sa efa tena tsy matoky tena intsony ?
\
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.