Hatreto aloha dia tsy nisy ny zavatra niova fa mbola kandida ihany i Andry Rajoelina. Tsy misy tsy mahalala manerana an’i Madagasikara sy manerana izao tontolo izao fa dia nivadika indray tamin’ny teny nomeny ny filohan’ny tetezamita.
Taorian’ny fisisihan’i Andry Rajoelina ho anisan’ny kandida io dia tsy mahagaga ny fehin-kevitra navoaky ny mpizaika nandritra ny diniky ny samy Malagasy nokarakarain’ny FFKM teny Ivato farany teo, fa dia ilaina ny hananganana tetezamita vaovao. Raha izao mantsy no fandehany dia tsy azo antoka intsony ilay hoe fifidianana madio sy mangarahara, eken’ny rehetra, andraisan’ny rehetra anjara. Kandida ny filohan’ny tetezamita izay tokony ho tompon’andraikitra voalohany mampandeha ny raharaha eto amin’ny firenena ary tsy tsy tokony hiditra mihitsy amin’ny resaka fifidianana. Mampiahiahy ihany ny fomba fiasan’ny CES izay hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy, kanefa dia hita mibaribary be izao fa efa mitanila sahady any amin’i Andry Rajoelina. Iarahan’ny rehetra mahita ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo kandida mpiara-dia amin’ny filohan’ny FAT manao propagandy mialoha ny fotoana, ka dia efa azo sary an-tsaina sahady ny zavatra hataon’ny filohan’ny tetezamita.
Ny filohan’ny tetezamita izay tokony hijanona ho filoha, tsy mitanila, tsy manohana kandida, tsy kandida, tsy manakiana kandida izatsy na izaroa fa manao izay hampandeha ny tetezamita, manao izay hanentanana ny vahoaka hanefa ny adidiny amin’ny firenena, mikaroka ny vahaolana rehetra. Vita ny tetezamita dia mamindra ny fahefana amin’izay filoha vaovao lanim-bahoaka eo, ary raha mahay politika tsara izy dia afaka mirotsaka ho fidiana afaka 5 taona, ohatra. Fa tsy mahandry izany i Andry Rajoelina fa dia midongy sehatra, tsy maintsy ho kandida. Raha ny fahafantarana azy dia tsy hanaiky resy izany mihitsy izy fa tsy maintsy hila vaniny raha toa ka misy kandida mahazo isam-bato mihoatra ny azony. Izy rahateo nanambara ombieny fa matoa mirotsaka dia lany izay no dikany.
Nanana efa-taona be izao afaka nandresena lahatra ny rehetra sy nampiharana izay fanombohana ny fanovana noheveriny fa hotanterahana i Andry Rajoelina, saingy tsy vitany izany noho ny tsy fahamatorana ara-politika sy ny fiovaovan-kevitra isaky ny mihetsika. Mazava koa izao fa diso safidy tamin’ireo mpiara-miasa aminy ny filohan’ny tetezamita ka dia io lasa miady irery io. Maty pasipaoro tanteraka eo imason’ny vahoaka, ny mpanao politika ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena, raha ny fahitana an’i Andry Rajoelina ankehitriny. Ela nivadibadihana izy ka tsy misy mino azy intsony ny olona, afa-tsy ireo tena nahazo tombontsoa be taminy angamba, na ireo minia mikipy maso tsotra izao manoloana ny zava-misy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.