Mifamahofaho be ihany ny resaka manodidina ny tena zava-nitranga nandritra ny fihaonana faharoa teo amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT, Andry nirina Rajoelina, raha tarafina amin’ny fampitam-baovao nivoaka hatramin’ny alarobia 08 aogositra sy omaly alakamisy 09 aogositra.
Nitatitra ny fampitam-baovao frantsay AFP fa “tsy nisy fifanarahana vita”, ary telopolo minitra teo ihany no naharetan’ny fihaonan’ny roa tonta tao Mahé Seychelles tamin’io alarobia io, dia nirava. Toa manamafy izany ny tenin-dRajoelina nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety teo am-pahatongavana teny Ivato omaly tolakandro, nilaza fa nandroso vahaolana maro izy mba tsy hisian’ny fifandonana, araka ny filazany, fa tsy nekena. Ary nampiany fa “tsy miova ilay rangahy (Ravalomanana) iny, ary tsy hiova mihitsy”. Mifanohitra amin’izay anefa ny fampitam-paovao nataon’ny SADC mitatitra io fihaonana io. Ny SADC izay namepetra, hatrany am-piandohana nisian’ny fihaonana voalohany tamin’ny 24-25 jolay 2012 fa izy ireo ihany no afaka manome vaovao, ka izay ambarany sy tateriny no vaovao ofisialy.
Mitatitra ny SADC fa nizotra tamim-pitoniana sy tao anatin’ny firahalahiana sy fifanajana tanteraka ny fihaonana ary hita fa mifanatona ny hevitry ny andaniny sy ny ankilany, izay samy naneho fahavononana hampihatra ny tondrozotra. Samy naneho ny fahafahampony ny roa tonta, hoy ny SADC, fa misy ny fivoarana amin’ny fikatsahana vahaolana hivoahana amin’ny krizy naharitra eto Madagasikara. Vokatr’io dia ho avy eto Madagasikara amin’ity anio ity ny iraky ny Troika-SADC tarihin’i Marius Fransman, hanao tatitra sy hampahafantatra an’ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra ny vokatry ny fihaonan’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tany Seychelles ity, ka hakana ny hevitr’izy ireo mba hanaovana tatitra mandritra ny fihaonana an-tampon’ny SADC hatao atsy Maputo Mozambika, ny 16 ka hatramin’ny 18 aogositra ho avy izao.
Mandritra izany dia tsy mbola nandrenesam-peo na naneho ny heviny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ka inona ary no nanesika an’i Andry Rajoelina hanao fanambarana miendrika fihantsiana teny am-pahatongavana teny Ivato omaly ? Nambarany mantsy fa “raha tonga teo amin’ny fitondrana Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny 2002 dia nisy faty olona, raha niala teo izy tamin’ny 2009 dia nisy faty olona. Manao izay fomba rehetra hiverenana eo amin’ny fitondrana indray izy aty amin’ny 2012 nefa tsy hisy hanaiky izany na oviana na oviana”. Nampiany fa tsy afaka manery zavatra ivelan’ny tondrozotra ny SADC ary tsy manakana ny hirosoana amin’ny fifidianana iny fihaonana tany Seychelles iny, satria feno ny fepetra, mijoro ny andrimpanjakana. Tao koa ny hoe : “tsy misy fepetra manakana ahy hilatsaka na tsia” …
Voasazy
Ho an’ny mpandinika politika dia entin’ny tahotra ireo mpomba azy indrindra andia-miaramila nametraka azy teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina, ka na fantany izao aza fa mifanohitra amin’ny voalazan’ny fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara ny fanambarana ataony dia manao anjolofo hatrany izy. Ny zavatra tsara homarihina dia olona voasazin’ny sehatra iraisam-pirenena i Andry Rajoelina. Misy 109 izy ireo, tompon’antoka tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, no nosazian’ny CPS na Filankevi-pilaminana sy fiarovana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny martsa 2010, ary tsy mbola nivaha io sazy io mandrak’ity ny anio. Ho an’izao tontolo izao dia mpanongam-panjakana i Andry Rajoelina. Izay no tsy nahazoany niteny in-droa nisesy tao amin’ny pilopitran’ny Firenena Mikambana tamin’ny 2009 sy 2010. Mbola noho io antony io no tsy mbola andraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonamben’ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC ary ny Frankôfônia (OIF) na ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI) ihany koa. Mazava koa ny voalazan’ny andiny faha-96 amin’ny fifanarahan’i Cotonou tamin’ny 2000, izay nankatoavin’i Madagasikara, mikasika ny mpanongam-panjakana, fa sady tsy mahazo milatsaka amin’ny fifidianana no tsy tokony hikarakara fifidianana. Ankehitriny anefa dia izy izay mpanongam-panjakana indray no milaza hanakana an-dRavalomanana tsy hirotsaka hofidiana, izay midika ho fihantsiana ankitsirano tsotra izao ny Zanak’i Dada fianakaviambe iraisam-pirenena. Fa ny azo antoka koa dia matahotra hifaninana amin’i Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana, satria ny “sondage” rehefa mandeha amin’izao dia tsy manome antoka azy.
Tsy azo kosehina
Fa fahasahiana goavana koa ny nilazany fa faty olona no niakaran-dRavalomanana teo amin’ny fitondrana tamin’ny 2002, faty olona no nialany teo tamin’ny 2009 … Tantara tsy azo kosehina na iniany tsy resahina sy totofana aza, ny “Alatsinainy Mainty”, nitondran’i Andry Rajoelina ireo mpomba azy teny an-dalambe. Malagasy am-polony maro no maty tamin’io 26 janoary 2009 io vokatry ny fandrobana ny fananan-dRavalomanana sy mpandraharaha maro, fandorana fananan’olona sy fananam-panjakana ka lasibatra tamin’izany ny TVM sy RNM ankoatra ny MBS. Manginy fotsiny ny asa fampihorohoroana sy fisamborana ary fampidirana am-ponja natao tamin’ireo izay tsy nitovy hevitra tamin-dRajoelina izay mitohy mandraka ankehitriny, ary koa ny fanohintohinana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, izay mifanohitra amin’ny voalazan’ny andininy faha-16 sy faha-17 ao amin’ny tondrozotra. Inona no mety ho tohiny ? Ho hita eo izay hambaran’i Marius Fransman ho avy eto Madagasikara anio sy izay ho fanapahan-kevitry ny SADC hivory atsy Maputo amin’ny herinandro ambony. Fa mandra-piandry izany dia anjaran’ny Malagasy no mieritreritra !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.