Politique

Andry Rajoelina Matahotra hampivory ny CT sy CST ?


  • Alarobia 13 Martsa 2013

Manomboka miakatra indray ny feo eny amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita eny ankehitriny noho ny be marenina ataon’ny fahefana mpanatanteraka manoloana ny tokony hiantsoana ny fivoriana tsy ara-potoana.

 Efa voaangona ny sonian’ireo parlemantera ilaina, araka ny voatondron’ny lalàna amin’ny hanaingana izany fivoriana tsy ara-potoana izany, kanefa tahaka ny tsy taitra ny ao Ambohitsorohitra sy ny eny Mahazoarivo. Fandinihana ilay famotsoran-keloka notondroin’ny SADC fa tokony homena an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, ary fandinihana ny fampiharana ny tondrozotra no tsy maintsy hanaovana ity fivoriana tsy ara-potoana ity. Mandeha koa aza ny feo fa misy vinavina hanitsy ny tondrozotra any ambadibadika any ka hoentina eo anoloan’ny CT sy ny CST ilay izy. Asa na noho io fitarazohan’ny fandaniana ny famotsoran-keloka ho an’ny filoha mirahalahy io, no mahatonga ny SADC mody fanina amin’ilay famatsiam-bola 10 tapitrisa dolara nampanantenainy fa homena hanatanterahana ny fifidianana, na ahoana. Maro koa no mihevitra fa mety rehefa eken’ny Parlemanta sy manankery mihitsy ilay lalàna momba ny famotsoran-keloka ho an’ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita, izay vao hiverina eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana.

Noho ny maha zava-dehibe ny fisian’ny fitoniana, dia tokony ho vita mialoha ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ny fandinihana sy fandaniana io volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka manokana io. Ny olana anefa, araka ny fahitan’ny maro azy, dia tsy mbola vonona hanaiky ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto izany i Andry Rajoelina, ka mety izay no mahatonga ny fitarazohan’ny fiantsoana ilay fivoriana tsy ara-potoana. Azo antoka fa ankoatra ilay famotsoran-keloka «spécial» dia tsy maintsy horesahana ao koa ny fampiharana manontolo ny tondrozotra, ka tafiditra ao anatin’izany ireo andininy tsy levon’ny vavonin’ny ankolafy Rajoelina dia ny andininy faha-16, 17 ary 20. Ireo dia mahakasika ny famoahana ny gadra politika ny fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT ary ny fodian’ireo sesitany politika rehetra, tsy misy fepetra na sakantsakana. Fa mandeha ihany koa ny resaka fa tsy dia matoky intsony ireo CT sy CST niara-dia taminy hatrany am-boalohany i Andry Rajoelina ka izay no mety mampiahotra azy amin’ny hiantsoana fivoriana tsy ara-potoana, satria tsy fantatra indray izay zavatra mety hataon’ireto parlemantera ireto raha mivory eo ry zareo.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT