Fanenjehana miharo ozona sy fankahalana ireo filoha roa lahy teo aloha tanteraka ny kabarin'ny filohan'ny tetezamita teny Ambohitsorohitra omaly maraina.
Tsy vitan'io ihany fa raharahan'ny Malagasy ve dia vehivavy Arabo (Tonizianina) no nampijoroana vavolombelona ? Mahavalalanina ! Mbola niaro faminaniana mahagaga ihany koa satria dia nambaran'i Andry Rajoelina fa "na maty aza ireo tamin'ny 7 febroary 2009, dia velona mandrakizay any akain'ny Ray any an-danitra". Nambarany ihany koa fa "tsy mpitondra ary tsy hitondra intsony …". Faminaniana re izao, ary dia tena “mahavalalanina” tokoa araka ny filazany. Ny nahagaga dia ny filazany fa ampy izay ny fitiavan-tena sy ny fitiavana fahefana diso tafahoatra nefa nihiaka mafy ny tovolahy fa "tsy hanaiky ny hakana (ireo namadika azy) ny tolona amin'ny fakany ; tsy hanaiky an'i Marc Ravalomanana hody maina eto ihany koa. "Aoka eitsy" hoy izy... mbola nampiany koa aza hoe : "tsy mpanao politika intsony ary efa maty any am-pahavelomany any amin'ny toerana misy azy". Dia mbola mahavalalanina ihany !
Ampy hisainana
Efa filàna ady sy fandrangitana ary fihantsiana ny mpomba an-dRavalomanana raha raisina amin'ny ankapobeny ny kabary nataon’i Andry Rajoelina tamin'io omaly io. Nataony nanindrona sy niantefa tany amin'ny farahatoky ny tsirairay mihitsy, ary tsy ny ekipan-dRavalo ihany fa ireo manodidina azy ihany koa. Very hasina aloha ny tondrozotra nanomboka teo. Tsy afaka hanantena intsony ny ekipan-dry Mamy Rakotoarivelo fa hanisy lanjany ny kisonia kisonia nifanarahana ilery, araka ny fiteniny. Tsy afaka hanatena ihany koa ireo mpanao politika hafa manodidina azy fa hiala vetivety eo amin'ny toerany ity Ben’ny tanàna nanongam-panjakana ity, satria "mbola mitohy ary mbola tsy vita ny tolona" hoy ny nambarany. Fa mbola tolona inona e ? Sa ry zareo no mifampitolona ao ?
Milaha-bary ?
Fa tsy araky ny namisavisan'ireo nikarakara azy iny omaly iny. Zara raha nahazo olona, ary saika nahazo T-shirt avokoa izay rehetra nangataka mba hanamaroana ny isan'ireo havan'ny niharam-boina. Raha tsy nisy ireo mpikambana tao amin'ny andrim-panjakana nasaina moa izany dia asa fotsiny... Izany aza mbola olona nozaraina vola, nalaina lisitra isaky ny Fokontany niaviany avy. Rehefa tapitra mantsy ny fotoana dia niara-nirona nifanatona ireo nifampitarika ka teo no nifampizara ny karama. Karama nihoraka sy nitehaka ary nitaninandro io. Avy eo vao namonjy sakafo teo amin'ny sisiny teo. Nandeha ny tsenan'ireo mpivarotra fetsy tamin'izany. Ka moa va tsy ny endrik'ireo mpilaha-bary mora eny amin'ny tsena mora ihany no niverina teny Ambohitsorohitra omaly !
Zara raha nisy ampahazaton'ireo vahoaka tonga nitsena ny filoha Ravalomanana akory aza. Dia ny taigna ro menatsa ! Mbola nisy ny ekipan'i Monja Roindefo, izay diso lera fa nieritreritra ny hoe amin'ny 11 ora no hanatitra voninkazo ny mpitarika azy. Ankoatra ireo fikambanana samihafa toy ny Vitrana, KMD, sns...
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.