Amin’ny alakamisy 12 aprily 2012, raha araka ny dokam-barotra totoafo amin’ny haino aman-jery no ho avy eto Madagasikara, ka higadonga eny Ivato ny iray amin’ireo fiaramanidina Airbus A340-300 hampiasain’ny Air Madagascar manomboka izao amin’ireo sidina mankany Eoropa.
Mbola hofaina mandritra ny enin-taona amin’ny Air France moa ireto fiaramanidina ireto izay vao tena ho lasa fananantsika Malagasy. Fantatra fa efa mihoatra ny 10 taona no niasan’izy ireo, ary amin’ny fanombohany hiasa eto amintsika izao dia mbola mpanamory Frantsay aloha no hitondra azy. Ny tao amin’ny Air Madagascar moa dia efa nilaza tamin’ny alalan’ny Tale jeneraliny fa hahazoana tombony kokoa ho antsika ny fampiasana Airbus noho ny Boeing ary mety hiakatra hatramin’ny 25% ny tombom-barotry ny Air Madagascar amin’ny fampiasana ireo fiaramanidina roa ireo.
Efa nilaza ho fanta-bahoaka moa i Andry Rajoelina, izy mihitsy no hisantatra ny sidina voalohany hataon’io fiaramanidina amin’ny anaran’ny Air Madagascar io. Hianga avy any Frantsa izy mazava ho azy. Mahatsikaritra ny mpanara-baovao fa hatramin’izay naha teo amin’ny fitondrana azy dia tsy maintsy mahita lalana hivoahana any ivelany hatrany i Andry Rajoelina, indrindra fa misy fety tahaka ny hoe krismasy na paska ary any Frantsa no tena mahatamana azy amin’izany. Ao koa aza ireo alaim-panahy mihitsy hiteny fa tsy tamana eto Madagasikara mihitsy i Andry Rajoelina isaky ny misy fety kristianina fa dia mahita zavatra atao sy aleha any ivelany hatrany. Nahazatra ny Malagasy tao anatin’ny enin-taona sy tapany nitondran’i Marc Ravalomanana ny mahita ny filoham-pirenena sy ny mpitondra fanjakana miara-mivavaka amin’ny mpino isaky ny fety kristianina lehibe tahaka ny hoe krismasy ny paska, saingy niova tanteraka ny zava-misy tato anatin’izay telo taona izay. Mety ho izay tokoa angamba ilay hoe miova sata, miova andriana, ary samy manana ny fomba mahazatra azy. Fa misy koa no mahita fa mety ho anisan’ireo mpanao politika nandova ny fomban’ny Frantsay amin’ny fampisarahana tanteraka ny fitondrana sy ny fiainam-piangonana amin’ny alalan’ny maha laika ny fitondrana i Andry Rajoelina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.