Migadona ny taona 2018, ka dia nanao fanambarana mifandraika amin’izany i Andry Rajoelina, Filohan’ny tetezamita teo aloha omaly 01 janoary. Misaotra an’Andriamanitra isika nanome tonon’andro antsika ka nahatrarana izao taona vaovao 2018. Arahabaina samy tra-pamonjena sy nombam-pitahiana, ka indro tratra ity anio ity. Koa tolorako ny arahaba feno firaraiantsoa ny tokantrano rehetra tsy an-kanavaka samy tratra ny asaramanitra, hoy ny Filohan’ny tetezamita teo aloha nandritra ny firariantsoa nataony omaly noho ny fahatrarana ny taona 2018. Indro migadona ary ity taona vaovao ity 2018, handrandraina hitondra fanantenana, ary hantenaintsika ihany koa fa hitondra fahombiazana, hanehoantsika rehetra tsy ankanavaka ny firaisam-po ary indrindra ny firaisan-kiana, hoy izy.
Hitondra fahasalamana feno ho an’ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy anie ity taona ity, ary indrindra mba hahafahantsika manatanteraka ireo adidy masina rehetra miandry intsika amin’izany taona vaovao izany. Ny faniriako dia ny mba hirotsaka eo anivon’ny tokantrano tsirairay avy anie ny fahasoavan’Andriamanitra, hoy hatrany ny Filohan’ny tetezamita teo aloha. Iny izany ny resaka sy fanambarana voalohany nataon’i Andry Rajoelina, izay tsy dia re feo na zara raha mipoitra tao anatin’ny fotoana maharitra. Izy rahateo tsy dia mipetraka firy sy miara-miaina amin’ny Malagasy eto eto an-tanindrazana. Vao miresaka ny taona 2018, dia ny tontolon’ny fifidianana avy hatrany no tonga ao an-tsain’ny isam-batan’olona, raha ny tontolo politika no asian-teny. Firarian-tsoa toa ny firarian-tsoa rehetra ve ny an’ny filohan’ny Tetezamita sa kosa efa fanehoana fa efa eto ny tenany sy vonona hiatrika ny raharaham-pirenena ho an’ny taona 2018 ? Tsy hay aloha izay ho tohiny fa dia miandry ny rehetra hoe hiditra lalina amin’izay ve ny tenany sa nanao pi-maso fotsiny, dia handeha sy hangina tanteraka any amin’izay misy azy any ihany ? Nitory ny firaisan-kiana sy ny firaisam-po ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ihany koa ny tenany, ka dia tsy hay aloha na mba vonona hanolo-tànana ho an’ny Malagasy mpiray tanindrazana amin’ny tena amin’izay na kosa mbola hanabe voho ny an’ny vahiny satria iaraha-mahalala, fa mampiasa volabe amin’ny alalan’ny fananganana orinasa any ivelany ny tenany. Tsy atao am-bava fotsiny ilay hoe: “ny fitiavana no lehibe indrindra”, fa mila aseho amin’ny fihetsika sy ny fomba fiaina izany. Raha atao bango tokana dia te haneho sy hanaporofo fa tia sy maniry ny Malagasy hanana fiainana tsara kokoa i Andry Rajoelina, saingy zava-dehibe tokony hataony voalohany dia ny fiheken-keloka sy ny fifonana amin’ny vahoaka Malagasy satria tsy afa-bela sy tompon’andraikitra amin’izao fahantrana lalina izao izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.