Tamin’ny fampielezan-kevitra dia nilaza fa hatao ny làlam-pirenena faha-44. Ianareo no tsy mahavita fa I Andry Rajoelina sy ny vahoakan’Ambatondrazaka tsy maintsy mahavita. Saropady loatra ny velirano ka tsy maintsy tanterahina, hoy ny Filoha Rajoelina tany Ambatondrazaka omaly.
Nambara fa natomboka omaly ny fanamboarana ny RN44. Ao anaty fotoam-pahavaratra izany no hanaovana azy, raha hatao tokoa! Amboarina ny barazy any Bevava, Bevava,… Hatao tara ny làlana avy eny amin’ny seranam-piaramanidina mihazo ny tanàna. Hamboarina ny ao Manaingazipo, ka hatomboka anio ny fanamboarana. Notolorana fiara tsy mataho-dàlana miisa 4 ho an’ny mpitandro filaminana, ka io izany ny zavatra tena nivaingana aloha. Hahazo sekoly manara-penitra, hatao manara-penitra eken’ny Fifa ihany koa ny Kianja Rasolonjatovo, havadika angovo azo havaozina ny herinaratra, hasiana jiro amin’ny herin’ny masoandro manamorona ny fidinana Ratatamo,... Mbola mitohy ihany balaroran’ny filoha. Hita mivandravandra izany tamin’ny filazany tamin’ny 2010 fa hatao kianja manara-penitra ny kianja Rasolonjatovo. Fampanantenana izay tsy notanterahina mihitsy ary nijanona teo amin’ny kisarisary na maquêtte 3D toy ny mahazatra. Notrongisina ny bozaka tamin’ny taona 2010 nitondran’ny tetezamita, dia lasa toy ny tanimbary hanentsana rehefa avy ny orana. Omaly dia mbola sahiny indray ny niverina tao an-toerana ary nampanantena fanindroany, toa ny tamin’ny sivy taona lasa. Efa nampiomehy ny olona fotsiny izany sisa fa tsy nisy sahy niteny mafy noho ny tahotra. Ny eo tsy vita fa ny fampanantenana sy ny zavatra ambara fa hatao mandeha ihany, indrindra amin’izao akaiky fifidianana izao. Nirarakopana ny vava be omaly fa izy, hono, miasa vao mikabary, ny an’ny sasany mitsikera fa tsy miasa, mitsikera fa tsisy hapoaka,… Tsy vao izao I Andry Rajoelina no nanao balarora sy kobaka am-bava, raha tsy hilaza afatsy ny 7 novambra 2010 nilazana fa hanangana trano 10 000 ho an’ny tanora ary lasa 50 000 taty amin’ny propagandy 2018, ny nitenenana fa hanangana orinasa famokarana simenitra ka hisitrahan’ny Malagasy vidiny mora 14.000Ar isaky ny lasaka, ny filazana fa efa any anaty sambo ny Tramway saingy 10 taona aty aoriana tsy tonga fa mety rendrika ilay sambo!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.