Misoko miadana sy manomboka mifoha amin’ny torimasony ny vondrona politika MAPAR manetsika ireo mpanohana azy isan-tsokajiny na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra.
Vao tsy ela akory izay ny kongresy natao tany Manakara, ary efa mihetsiketsika ihany koa ny eto an-drenivohitra, mitsangana ny Fikambananana TMH (Tanora Miandrandra ny Hoavy) amina faritra maromaro, toa an’I Fianarantsoa, Ankazobe,…. Na ireo olon’ny MAPAR, izay tsy re feo sy tsy re tsaika toa an’i Lanto Rakotomanga aza efa manosika ny Fikambanana VAR (Vahaolana Anio sy Rahampitso), izay Vahoakan’i Andry Rajoelina no tena fanalavana azy, araka ny fantatra. Mametraka ny paikadiny amin’ny fifidianana ny MAPAR satria antomotra ny taona 2018. Lasa any Lafrantsa i Andry Rajoelina amin’izao, ka voalaza fa hitady mpanohana no tena anton-diany, ary ny 28 aogositra tamin’ny 2 ora maraina no nandaozany an’i Madagasikara. Misoko miadana Rajoelina sy ny mpomba azy, ary tsy mbola milavo lefona velively fa manomana ny bala hitifirana. Paikapaika fotsiny ny fanariana dia ny HVM hihevitra fa efa malemy sy tsy misy hatoraka ny MAPAR, mba tsy haharomotra ny fanjakana ankehitriny, izay tsy mihevitra afa-tsy ny hanao don-tandroka.
Kapa ranjo politika
Voasokajy ho kandida matanjaka i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana amin’ny taona 2018. Toe-javatra hitoviany ny don-tandroka sahady ataon’ny fanjakana HVM. Tombanana hihamahery vaika hatrany izany, ka kendrena ny tsy hahitany mangirana amin’ny lafiny rehetra. Manana tombondahiny hatrany rahateo izy ireo amin’ny fomba hoenti-mandresy lahatra ny vahoaka. Vao mainka mampahazo vahana sy mampitombo ny herijika hitodihan’ny olona any aminy avy ny tsy fahombiazan’ny fitondrana am-perinasa, izay antsojay sy don-tandroka no misongadina amin’ny paikadiny. Ny tantara sy ny zavatra nataon’ny an-daniny sy ny an-kilany kosa no hikaonty eo amin’ny fisafidianan’ny vahoaka azy mianaka ireo. Teboka lehibe manaratsy endrika an’i Andry Rajoelina anefa ny raharaha 2009. Samy tsy misy ho resin’ny HVM kosa na ny MAPAR na ny TIM amin’ny taona 2018, raha tena mangarahara ny fifidianana. Miketrika “ni…ni…” ny mpitondra tsy hahafahan’izy ireo mirotsaka. Efa homanina ny paikady rehetra, toy ny famotehana ara-pitsarana. Mety ho paikadin’ny HVM ihany koa anefa ny fanakanana ny iray tsy hirotsaka, mba hahafahan’izy ireo miditra amin’ny fihodinana faharoa. Handeha eo amin’izay ny kajy maloto rehetra amin’ny fampandaniana ny kandidam-panjakana. Toa samy tsy mamaly ny fihantsiana ataon’ny mpitondra izy ireo satria ny biby hanaikitra tsy mba mampiomana, hoy ny fitenenana. Tsy mbola mampiseho tanteraka ny tena heriny izy ireo fa manaraka ny onjany, mba hahadiso tetika ny HVM, izay mihevi-tena fa matanjaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.