Politique

Andry Rajoelina Manohy tolona ho an’ny mpanjanaka


  • Alatsinainy 02 Aprily 2012

Nafana ary dia tsy ankitsitsy ny fanehoan-kevitra nandritra ny hetsika tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 31 martsa lasa teo.

 Anisan’ny nibahan-toerana tamin’izany ity resaka amnistia ity. Ho an’ireo mpitolona mitaky ny hiverenan’ny ara-dalàna dia efa mazava ny resaka fa raha ny filoha Ravalomanana dia tsy mila izany. Raha misy olona tokony homena amnistia dia i Andry Rajoelina izay nandefa olona hatao sorona teny Ambotsirohitra ny sabotsy 07 febroary 2009 no tokony hangataka izany voalohany, hoy izy ireo. Niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby mihitsy moa ny Maitre Hanitra Rakotomavo, filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, nitondra fanazavana tamin’ireo vahoaka tonga tao amin’ny Magro Antsirabe ka nilazany fa ny andininy faha-16 amin’ny tondrozotra, izay efa lasa lalàna, dia efa mametraka fa foana avokoa ny fanenjehana ara-pitsarana ho an’ny rehetra ka tsy misy tokony hiadian-kevitra betsaka manodidina izay amnistia izay.

Rakotoamiandrisoa Jean Ernest, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, moa dia nanipika fa “raha fampihavanana no tadiavina dia tsy tokony handeha ila izany ka hoe ny mpitolona ao amin’ny Magro no terena hihavana amin’izay milaza ho mpitondra amin’izao fotoana fa tokony haseho amin’ny alalan’ny asa mivaingana izany”. Nitondra fanamarihina ihany koa ny tenany tamin’ny tenin-dRajoelina tany Manakara izay milaza fa «mbola mitohy ny tolona». Ho an-dRakotoamiandrisoa Jean Ernest dia “ny tolona famerenana ny mpanjanatany hiverina eto Madagasikara no tohizan’i Andry Rajoelina. Apoitrany indray io ankehitriny raha toa ka nanohitra izany ireo maty tamin’ny taona 1947 ary misy ny manohitra ny hiverenany eto amin’ny Magro ka dia mitohy koa ny antsika ny tolona”.

Porofo, hoy izy, ny fiverenan’ireo mpanjanatany amin’ny endriny vaovao tao anatin’ny telo taona ary ankoatra izay ny fisian’ny miaramila frantsay any andakazerina any amin’izao fotoana, hiaro ireo voanjony ireo. Namaranany ny teniny moa ny mahakasika ny fandaniana ny lalàn’ny amnistia ka nilazany fa rehefa tsy mifanaraka amintsika io dia mivoaka isika ka avelao ry zalahy no handany azy ao. Tazana tao amin’ny Magro Avaratsena moa ireo parlemantera maromaro avy amin’ny ankolafy Ravalomanana io sabotsy io.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT