Misy mahatsiaro tena voailika sy somary ataon-dRajoelina ambanin-javatra ireo ekipany fahiny tao anatin’ny tetezamita, indrindra indrindra ireo nanampy azy tamin’ny fanonganam-panjakana ka nahatonga azy ho Filohan’ny tetezamita tamin’ny taona 2009.
Ankehitriny ny tenany, dia tsikaritra ho tsy manana fahatokisana feno amin’ireo ekipany hatramin’izay, ka manomboka manangona sy mandrafitra tarika vaovao hiara-dàlana aminy amin’ilay ambara fa vina IEM, vozina fa hampisandratana an’i Madagasikara. Mazava ho azy fa mety hiova endrika ny ekipa hatrany amin’ny fifidianana filoha, raha mirotsaka Rajoelina. Ny ekipany tany ampitan-dranomasina nanompanany ny androatokom-piainany no niara-namolavola azy, ka ho mpanara-kefa na anjorom-bala ny sasany amin’ireo ankohonana politikany teto. Ny sasany amin’ireo MAPAR, valala mpiandry fasana teto an-tanindrazana rahateo dia maro no tsy mahalala akory izay lohany sy vodiny amin’io ambara fa fandraisana andraikitra amin’ny fampandrosoana novolavolain-dRajoelina sy ny tariny io. Hatramin’izay no kamboty tsy nisy mpiahy ara-politika ny ankamaroan’ny MAPAR satria vao tsy Filohan’ny tetezamita intsony Rajoelina, dia tsy nikarakara sy tsy niraharaha ireo olona tena nanampy azy. Lavitra loatra ny elanelana nisy azy sy ireo ambara fa mpanara-dia tao anatin’izay 4 taona izay, ka lojika raha maro no namadika palitao nanara-dia ny HVM. Ireo hafa mba niaritra sy nijoro tamin’ny foto-kevitra hiara-dàlana aminy hatramin’ny farany kosa nampahorian’ny HVM fatratra, raha tsy hilaza afatsy ny natao an-dry Kolonely Lylison, Alain Ramaroson,… Tsy nisoka-bava kely akory na iray minitra monja aza Rajoelina, kanefa tsy nahazo ny sezany tamin’izany raha tsy nisy ireny olona ireny. Ny fikambanana AV7 natao fitaovana sorona novonoina teny Ambohitsorohitra mba hahazoana fahefana aza moa efa nizarazara sy ataon’ny HVM fitaovana, ary efa namoaka vava fa mpamadika i Andry Rajoelina. Ankehitriny, dia efa misy ny mamoaka vava, fa ny olona nanampy betsaka ny tena sy iray ankohonana politika aza adino sy tsy raharahiana ary ahilika, mainka fa ny Malagasy mora avadika, ary ampanantenaina atsanga tsy aman’orana. Re fa hanao fanambarana ireo olona nailik’i Andry Rajoelina izay nisafidy ny nandeha irery fa tsy niaraka tamin’ny HVM tamin’ny fifidianana filoha atsy ho atsy. Tsy hay na te hifandamina aminy na hanenjika sy hamoaka tsiambaratelo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.