Politique

Andry Rajoelina Manilika ihany, manilika hatrany !


  • Zoma 23 Martsa 2012

Mitohy hatrany ny fanilihan’ny FAT ireo mpiara-dia aminy. Araka ny tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia tolakandro teo mantsy dia nesorina tamin’ny toerany ny lehiben’ny faritra Vatovavy Fitovinany, Rakamisilahy Martial, izay mpanohitra tena hiringiriny ny filoha teo aloha ary niara-dalana avy hatrany tamin’i Andry Rajoelina vantany vao niantso vahoaka ny hidina an-dalambe ity farany.

 Nesorina tsy ho PDS-n’ny Kaominina ao Manakara ihany koa Atoa Sileny Alban. Tsy nisy moa ny fanazavana tamin’ny fomba ofisialy momba ny fanilihana ireto tompon’andraikitra roa tao Manakara ireto, saingy araka ny vinavinan’ny mpanara-baovao politika dia misy ifandraisany tamin’ireo fitokonana sy fihetsiketsehana isan-karazany tany an-toerana, noho ny fanoheran’ny mponin’i Manakara ny fitrandrahana fasimainty saika hotanterahan’ilay orinasa Sinoa izy io.

Azo antoka mantsy fa amin’ny maha solontenam-panjakana azy dia nomena andraikitra mba hanelanelana sy handamina ny fitokonan’ny olona ingahy Rakamisilahy Martial, amin’izay afaka miasa tsara ny Sinoa hitrandraka fasimainty, saingy mazava izao ny resaka fa tsy nahavita ny iraka nampanaovina azy ity filohan’ny Faritra ity, dia izao voadaka izao. Izy no lehiben’ny Faritra nisantatra ny fanesorana azy amin’ny toerany, tamin’ireo notendren’ny FAT. Mety tsy mifanalavitra amin’izany ihany ny antony nanesorana ihany koa ny PDS, izay olona no tendren’ny FAT, ary tany am-piandohana dia efa nitrangana olana ihany koa ny fametrahana azy tamin’io toerana io. Mitohy ihany, araka izany, ny fanilihan’i Andry Rajoelina ireo olona niara-dia taminy ao anatin’ilay sambo, tahaka ny efa natao ihany tamin’ireo olona ahiana fa mety manana lanja politika matanjaka, na koa afaka mifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Efa notaterina teto ny nanesorana ireo masoivohontsika roa tany ivelany, dia Atoa isany Rajemison Rakotomaharo (Genève/Soisa) sy Mahafaritsy Samuel (Alzeria).

Araka ny tsiliantsofina re dia nanohana sy nanampy an’i Andry Rajoelina ny zanak’i Vatovavy Fitovinany, indrindra fa ny tao Manakara tamin’ny hetsika nataony, telo taona lasa izay, ary nandray anjara mavitrika tamin’ny fanentanana ny olona tamin’izany Rakamisilahy Martial, voailika izy ankehitriny, ka ho hita eo na hampidirina garazy ka homena toerana any ambadimbadika any, na tena avoaka ny sambo mihitsy ka hivadika ho mpanohitra, tahaka ny ankamaroan’ireo mpanao politika rehetra very seza.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT