Politique

Andry Rajoelina Manezaka mafy sao voasongona…


  • Alakamisy 07 Novambra 2019

Fidinana tampoka tokoa ve sa zavatra efa voaomana fa dia tonga teny Ambodirano Ampefiloha,

 

 

 anisan’ireo sokajiana ho ambany tanàna eto an-drenivohitra ny filoha Andry Rajoelina, notronin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Marie Thérèse Volahaingo omaly maraina, iray andro taorian’ny fanombohan’ny propagandy. Nanambara ny filoha fa hizarana fitaovam-pianarana na kit scolaire avokoa ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana, dia ny ambaratonga fototra sy ny ambaratonga faharoa izany, arahana rakibolana frantsay-Malagasy, Malagasy-Frantsay; fanapahan-kevitra izay andrasan’ny maro na ho tanteraka tokoa na sanatria resadresaka anaty propagandy fotsiny. Niantso ny ray aman-dreny koa izy handefa ny ankizy  hianatra fa jerena ny vahaolana momba ny tsy fifankahazoan-dresaka amin’ilay vola aloa nahatonga savorovoro tamina sekoly maro manerana ny nosy tamin’ny fidiran’ny mpianatra teo. Hahazo boky ihany koa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana, ary nomena tombony manokana ny mpanala fanadinana Cepe satria dia hahazo tablette tsirairay avy. Fa niara-dia tamin’ny filoha omaly ihany koa ny governoran’ny faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka, nahita ny zava-misy ary nomen’ny filoha baiko hentitra mba handroaka ny fako. Tsy tongatonga ho azy izao fihetsika izao ho an’ny mpanara-baovao politika fa misy antony ara-politika. Somary takon’ireo kandida ben’ny tanàna eto an-drenivohitra mantsy tato ho ato ny filoham-pirenena ary ny kandidan’ny IRD manokana Naina Andriantsitohaina dia mihetsiketsika sy mitsidika fokontany etsy sy eroa. Efa tsikaritra ihany fa vitsy dia vitsy raha ahitana aza ireo olon’i Andry Rajoelina eo anilan’ity kandida ity rehefa midina ifotony izy. Na lanonana ofisialy aza dia tahaka izany ihany koa. Ireo mpandraharaha matanjaka sy fianakavian’ireo mpanefoefo zanak’Antananarivo no matetika tazana miaraka aminy. Marina fa mitondra ny lokon’ny IRD i Naina Andriantsitohaina, saingy hafa ny fihetsika sy ny fomba fiasany fa tsy mitovy loatra amin’ny fanaon’ny TGV MAPAR fahiny. Efa misy ady mangatsiaka sy fifaninanana kely sahady ve eo amin’ny filoham-pirenena sy ity kandida natolotry ny antokony ity ? Ho hita eo ny fivoaran’ny toe-draharaha fa ny azo antoka aloha dia manana tanjona ary tena mijery lavitra i Naina Andriantsitohaina izay mpandraharaha manana ny maha izy azy matoa niditra amin’ny politika dia efa iaraha-mahalala ihany ny tantaran’ireo izay voafidy ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra nanomboka tamin’ny 1999.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT