Politique

Andry Rajoelina Manararaotra ny fahorian’olona hanaovany propagandy


  • Alakamisy 07 Martsa 2013

Tsy nisy nahavita ny vitan-dRajoelina ka aoka izy hirotsaka hotsaraina, hoy i Constant Raveloson tetsy amin’ny kianja Magro Behoririka omaly.

 Voaporofo izao ny tena foto-diany tany Atsimo, hoy ity mpanao politika mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity. Mitady vavan’olona hiteny hoe mirotsaha ho prezida ka nampitenenina ny olona. Hay ity mody milaza fa tsy hirotsaka ity ka mitetika ny hirotsaka ihany. Manararaotra ny fahoriam-bahoaka i Andry Rajoelina hanaovany propagandy ho an’ny tenany ary dia hita amin’izany koa ny fomba fiasan’ny minisitry ny serasera ao amin’ny haino aman-jerim-pirenena. Hiatrika io fifidianana io isika fa kosa mila ny prezida Ravalomanana tonga eto.

Tsy misy mifendro amin’izay Andry Rajoelina fa mirotsaha izy raha lehilahy ka sahy. Mirotsaha na manendre kandida fa izahay tsy te hahalala raha tsy eto ny filoha Ravalomanana”, hoy hatrany i Constant Raveloson. Rehefa hirotsaka izany na handrotsaka olona i Andry Rajoelina dia tsy maintsy miala satria tsy misy fifidianana azo ekena raha Rajoelina no handidy izany fifidianana izany, hoy ihany ity mpanao politika ity izay nanamarika fa tantara lehibe ho an’ny firenena raha toa ka ny olona nampiasa basy aman-tafondro hahazoam-pahefana no voaroakan’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny latsa-bato.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT