Politique

Andry Rajoelina Manara-dia an-dRavalomanana


  • Zoma 26 Janoary 2018

Hamory ireo Malagasy mpanara-dia azy mila ravinahitra any Frantsa miaraka amina olona ambony mpiara-miombon’antoka aminy i Andry Rajoelina anio zoma 26 janoary 2018. Efa nilaza ny tenany fa nandalim-pahaizana sy nihaona tamina karazan’olona isan-karazany mba hitadiavam-bahaolana ho an’ny firenena, hono.

Fanambiny, ny  hanala an’i Madagasikara ao anatin’ny sokajin’ny firenena fadiranovana, ho lasa mandroso sy misongadina aty Afrika. Ny efa nataony tsaroan’ny rehetra kosa dia nampikorosy fahana an’i Madagasikara ho mahantra indrindra eran-tany. Anio no fotoana voalaza fa hanehoany sy hampahafantarany any Paris, ny paik’ady hoenti-manarina ny firenena. Tsara ny mampahatsiahy fa, nihaona sy namondrona ireo Malagasy mpila ravinahitra any Frantsa sy Eoropa i Marc Ravalomanana ny 13 janoary lasa teo, ka dia nanara-dia ny nataony izany i Andry Rajoelina 13 andro aty aoriana. Nambaran’ny filoha teo Marc Ravalomanana ny fanambiny sy tanjony dia ny hanala ny vahoaka Malagasy ao anaty gejan’ny fahantrana satria mendrika ny ho sambatra ny Malagasy. Nanome toky ny hiara-kanatratra ny tanjona aminy ireo Malagasy mpila ravinahitra. Inoana  fa tsy hivaona firy amin’izay no hambaran’ny filohan’ny tetezamita teo aloha. I Marc Ravalomanana dia efa nilaza ampahibemaso ny hirotsahany hofidiana filoham-pirenena, raha toa ka tsy mbola hay izay ataon’i Andry Rajoelina. Tsiahivina hatrany fa  ny 12 febroary 2017 no nisian’ny fanambarana lehibe farany nataony momba ny politika, fa tsy hisy hahasakana azy hofidiana filoha, saingy nangina rehefa nandeha ny antsojay isan-karazan’ny HVM. Toa manomana ny ho avy politikany i Andry Rajoelina, saingy re kosa fa tsy ny 2018 no mahamaika azy. Mivoaka ihany koa ny resaka momba ny fisian’ny tsindry sy toromarika ho azy, dia ny miandry ny 2023 na ny aoriana. Midika zavatra maro eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara kosa ny nilazany fa, tsy manana olana amin’i Marc Ravalomanana izy.

26 janoary 2009 - 26 janoary 2018

 Asa na fifanandrifian-javatra fa feno 9 katroka anio ny 26 janoary 2009 nisian’ilay “alatsinainy mainty” na ny “lundi noir”, naha mainty tanteraka ny lanitr’Antananarivo noho fandorana sy fandrobana, nisiana faty olona maro be teto an-drenivohitra. Ny anaran-dRajoelina sy ny fanonganam-panjakana niampy ny famotehana nataony avy hatrany no tsaroan’ny rehetra. Tsy ho voakosiky ny tantara velively, fa namotika sy nitondra an’i Madagasikara tany anaty lavaka mangitsokitsoky ny krizy 2009, saingy aty aoriana, dia toa mamendrofendro sy milaza hampandroso. Tsara ny manana vina, saingy fiaiken-keloka sy fifonana amin’ny Malagasy angamba no tokony handeha mialoha.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT