Efa nofinofy sisa raha ny hahavitan’ny fifidianana amin’ity taona ity. Fifidianana iray monja io resahana io.
Na ny FAT mantsy na ny mpanohitra dia samy mbola miandry ny fahatongavan’ny iraka manokana halefan’ny Troika, izay hanao andiany roa ka teknisianina no hialoha lalana, ho avy amin’ny alahady raha tsy misy fiovana avy eo ny minisitra telo miaraka amin’ny lehiben’ny mpanelanelana, Joaquim Chissano. Mety mbola haharitra telo andro ny fihaonana amin’ireto farany ary handray anjara amin’izany ny vondrona politika rehetra. Vita io dia mbola hiverina any Afrika Atsimo hanao tatitra amin’ny filoha mitarika ny SADC, Atoa Jacob Zuma, ireto iraka manokana ireto, dia mbola hisy indray aorian’io ny fihaonana manokana ataon’ny Troika, dia mbola mety handalo any amin’ny foiben’ny SADC izany dia …mbola hisy iraka hafa indray hiverina eto Madagasikara hanazava ny fanapahan-kevitra mety hivoaka, dia izay vao mety hisy fanambarana an-taratasy amin’ny fomba ofisialy hivoaka. Tahaka izay ny fomba fiasan’ny SADC rehefa nodinihana ny tranga rehetra hatramin’izay. Marina fa manana andraikitra goavana ao anatin’ity vondrona ity ny Troika saingy ty maintsy manara-penitra sy manaraka ny fitsipika mifehy ny SADC izy ireo. Ny azo antoka kosa anefa dia ho haingam-piasa kokoa ny Troika. Na izany aza anefa, raha ilay fizotry ny lalan-kaleha rehetra notanisaina tery ambony teo dia mety iray volana aorian’ny 16 septambra hialany eto, vao mety hamoaka fehin-kevitra momba an’i Madagasikara indray ny SADC, izany hoe any amin’ny tapaky ny volana oktobra 2011 any.
Aorian’io izany, raha mifanaraka ny ankolafy rehetra vao hokitihana indray ny firafitry ny tetezamita dia mandinika ny hanatanterahana ny fifidianana amin’izay. Efa manakaiky ny vanim-potoan’ny orana anefa io vanim-potoana io. Ny FAT sy ireo mikarama an’ady politika moa dia azo antoka koa fa tsy hipetra-potsiny fa dia hanasonia izay sori-dalana na tondrozotra mahamety azy ireo, dia vao mainka hanasarotra ny toe-draharaha izany satria hisavorovoro indray ny saim-bahoaka hoe : ilay sori-dalana iza marina ary no tena izy ?. Raha ny tokony ho izy ihany koa dia miatrika ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana any New York Etazonia ny filohan’ny FAT amin’ity volana septambra ity. Ho sahiran-tsaina ihany anefa ny tenany manoloana izany satria raha misisika hanao sonia kimaimaika sori-dalana tsy hiandry ny SADC ny FAT dia mety hahazo vava be any New York any indray ary tsy hahazo hikabary ka ho afa-baraka tahaka ny tamin’ny 2009, satria ny Firenena Mikambana dia efa nilaza mazava fa manohana ny asa fanelanelanana ataon’ny SADC ary mbola mampirisika ny fanohizana ny fifampidinihana mba hanasoniavan’ny ankolafy politika rehetra eto Madagasikara ilay sori-dalana nasiam-panovana ary neken’ny fivoriana tany Sandton. Manoloana safidy makadiry i Andry Rajoelina.
Hanohy iny lalana iny araka ny eritreretiny fa mety aminy sy ireo akamany ary ny FAT, sa hanaiky amin’izay ny asa fanelanelanan’ny Vondrona iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SADC ka hiandry izay ho fidonany eo, izay midika avy hatrany fa tsy misy fifidianana mbola atao aloha amin’ity 2011 ity ? Raha ny tetiandron’ny fanelanelanana iraisam-pirenena ihany koa dia manana iray volana hieritreretana sady hanapahan-kevitra ny filohan’ny FAT, fa raha dila io fe-potoana io dia mety zavatra hafa amin’izay no hitranga eto ary handray fepetra ny sehatra iraisam-pirenena
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.