Politique

Andry Rajoelina Mamono afo sisa !


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Manoloana ny fitarazohan'ny fijoroan'ilay governemantan'ny fampiraisam-pirenena sy ny fimenomenon'ny olona dia nikabary ny sabotsy alina teo ny filohan'ny FAT Andry Rajoelina ka niezaka namono afo sy nampitony ny sain'ny rehetra.

 Tsikaritra ho nanipy ny baolina any amin'ny mpanao politika ihany koa izy, ireto farany izay nambarany fa tompon'andraikitra feno amin'ny famahana ny krizy satria eo am-pelatanan'izy ireo ny hoavin’ny firenena. Nohamafisin'Atoa Andry Nirina Rajoelina fa tsy manana zo hisafidy ministera izany ny vondrona politika ary fihetsika tsy mendrika no sady mahamenatra ny fiadiana seza. Havoakanay ny fitsinjarana ny toerana ao anatin'ny governemanta, hoy ny filohan'ny FAT koa antenaina fa hahatsapa tena sy tena hampiseho fitiavan-tanindrazana madiodio ny mpanao politika fa tsy handany andro hiaro ny tombontsoany sy ny vondrona misy azy fotsiny. Na dia teo aza ny antsoantso nataon'ireo mpanao politika, antoko, fikambanana ary olon-tsotra isan-karazany nanomboka ny alin’ny alakamisy 17 novambra lasa teo ny amin'ny tokony hanafainganana ny fanendrena ireo minisitra, dia tsy mbola nanome daty mazava ny filohan'ny FAT fa nampanantena fotsiny hoe : tsy ho ela fa hitsangana ao anatin'ny fotoana faran'izay haingana ny governemanta.

Somary diso fanantenana ihany, noho izany ireo mpanohana ny FAT izay nanantena fa amin'ny alatsinainy (anio) no hijoro ny governemanta. Mazava ny resaka eto fa miala andraikitra Atoa Andry Rajoelina ka milaza fa eo am-pelatanan'ny mpanao politika ny hoavin'ny firenena. Mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe : fa inona moa izany no tena fahefan'ny filohan'ny FAT ? Lasa mitovy sokajy amin'ny vahoaka ve izany izy, ka tsy manan-tsafidy afa tsy ny miandry izay fotoana hifanarahan'ny praiminisitra Omer Beriziky amin'ireo vondrona politika. Nahoana no tsy sahy namoaka daty mazava Atoa Andry Rajoelina fa nilaza fotsiny hoe : avoakany ny fitsinjarana ny toerana ? Koa raha misy tsy manaiky indray izany dia ahoana ? Ahemotra ve dia hikabary hamono afo indray ingahy Rajoelina ? Voaporofo indray izao fa tsy mahafehy ny toe-draharaha eto amin'ny firenena intsony ny filohan'ny FAT fa dia manara-drenirano ny mpanao politika sisa ary tsy sahy manapa-kevitra intsony satria efa afabaraka matetika ka mba mety efa tonga saina angamba. Mora tokoa ny mandrodana fa sarotra ny manangana e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT