Fihetsika mamboly korontana no nataon’i Andry Rajoelina teny Ivato omaly antoandro nialoha ny hihazoany an’i Seychelles.
Tsy misy ny fahagagana azo andrasana aminy satria dia ny fiziriziriana no hevitra entiny miatrika ny fihaonana andiany faharoa atsy Seychelles. Nambarany fa efa namoaka ny datim-pifidianana ny CENIT, efa nanaiky izany ny sehatra iraisam-pirenena, ka na ahoana na ahoana hevitra tapaka any Seychelles dia tsy hanova na inona na inona intsony izany fa tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana isika. Momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia nahitsy i Andry Rajoelina raha nilaza fa tsy manan-jo no sady tsy mahafeno ny fepetra ho kandida amin’ny fifidianana ho avy eo, ity filoham-pirenena teo aloha ity.
Ho any Seychelles ny tenako, hoy izy hijery raha toa ka misy ihany ny marimaritra iraisana azo ekena, fa rehefa tsy hita moa ny marimaritra iraisana dia miroso ihany ny diantsika satria efa mazava ny tetiandrom-pifidianana. Mahagaga ihany fa izy nanongam-panjakana indray no hilaza fa tsy manan-jo hilatsaka hofidiana ny olona voafidim-bahoaka teto. Efa nisokatra koa angaha ny fametrahana filatsahan-kofidiana, ka hoe tsy mahafeno fepetra ny dosien-dRavalomanana ? I Andry Rajoelina koa ve izany izao no maka ny toeran’ny filohan’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES ka hilaza fa azo raisina na tsia ny filatsahan-kofidian’ny kandida iray ? Ravalomanana koa efa voasedra in-droa tamin’ny latsabato ary mbola madio ny “casier judiciaire”-ny. Ary izy Rajoelina sy ny fifidianana moa mba ahoana ? Mahafeno fepetra satria nanongam-panjakana, arovana andia-miamila, nanamboatra lalampanorenana mampetipety azy ?
Tsy niova
Tahaka izay foana ny fomba firesak’i Andry Rajoelina hatramin’izay nahafantarana azy, ary tsy niova izy. Andro vitsivitsy mialoha ity fihaonana andiany faharoa ity ihany koa, dia efa natanjaka be ny serasera nataon’ireo mpomba azy ary nandaniana ora maromaro tao amina onjam-peo tsy miankina iray teto an-drenivohitra, ka nanambarana fa tsy mendrika ny hiverina eo amin’ny fitondrana izany intsony i Marc Ravalomanana satria efa nanapotika ny firenena. Nifanindran-dalana tamin’izay moa dia nohetsehina indray ilay raharaha 7 febroary any amin’ny fitsarana Afrikanina tatsimo ary nambara mihitsy fa nahavita heloka bevava tahaka ireo mpitondra jadona taty Afrika ingahy Ravalomanana. Asa aloha izay hevitra haroson’Atoa Marc Ravalomanana any Seychelles, fa raha ny an’i Andry Rajoelina dia efa mazava ny resaka raha iny fanambarana nataony omaly teny Ivato iny no dinihana. Tsy mody an-tanindrazana i Marc Ravalomanana ary tsy kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ho hita eo ihany koa izay fahaizan’ny vondrona SADC mandamin-dresaka sy mamoaka marimaritra iraisana. Hatreto aloha dia hita ho tena mbola sarotra ny raharaha satria tsy hilefitra mihitsy ny filohan’ny tetezamita, sarotra ho an’ny filoha teo aloha koa anefa no hanaiky hoe sady tsy mody an-tanindrazana izy no tsy ho kandida satria efa nanome toky ireo mpanara-dia azy, ny tenany nandritra ny telo taona sy tapany izao, fa tsy maintsy ho avy ary handray anjara amin’ny fifidianana.
Ady vakiana
Ny fisehon-javatra ankehitriny sy ny fanehoan-kevitra ataon’ny mpomba an-dRajoelina dia manomana an’i Madagasikara ho toa an’i Somalia. “Aleo dia tsorina fa misy vahoaka ao andamosinay”, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa, mpitondra tenin’ny Ankolafy Ravalomanana, nandritra ny fandaharana “L’invité du Zoma” tao amin’ny TV Plus Madagascar ny alin’ny zoma 03 aogositra 2012. Mazava ny resaka fa ny tsy famelana an-dRavalomanana ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo dia ady vakiana amin’ireo vahoaka maro miandrandra ny fiverenan’ity filoha voafidim-bahoaka ity an-tanindrazana, ary midika ho fanosihosena ny zon’ny olom-pirenena hisafidy malalaka izay olona tiany hitondra ny fireneny koa. Savoritaka ambony ambany, ary dia hanara-dia an’i Somalia i Madagasikara raha izay no tadiavin’ny SADC hatao eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.