Politique

Andry Rajoelina Mamatsy vola fiangonana koa ?


  • Talata 23 Aogositra 2011

Somary nanaitra ny mpanara-baovao ihany ny nandrenesana ny faran’ny herinandro teo fa niantohan’ny filohan’ny tetezamita mivady manontolo ny fananganana sy fampitaovana ny trano fiangonana ao amin’ny Aumônerie Protestante ao amin’ny toerana fitaizana sy fitsaboana ireo tsy salama saina sy zaza maditra eny Anjanamasina, amin’ny lalampirenena faha-4 iny.

 Ny mpitadrina Nestor Razafindramanitra moa no nilaza izany tamin’ny mpanao gazety nanatrika ny lanonam-pitokanana, hoy indrindra izy hoe : «izy mivady avokoa no niantoka na ny fananganana ny trano na ny fampitaovana na ny dabilio sy seza hipetrahana, fa dia nandray vonona fotsiny izahay … ». Ny lasa tsy fanadino, ary tsara raha averina kely, fa anisan’ny nanankianana mafy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana io fiaraha-miasa amin’ny fiangonana io, na ahoana na ahoana endrika mety hisehoan’izany. Nambara tamin’izany fa nanao ho fitaovana ny fiangonana, indrindra fa ny FJKM ity filoha teo aloha ity ka tsy mety izany ary mifanohitra tanteraka amin’ny soatoavina repoblikanina.

Nanamafy ireo mpanohitra ny fitondrana tamin’izany fotoana izany, izay lasa mpitondra ankehitriny, fa tokony hisaraka mazava mihitsy ny raharaham-panjakana sy ny raharahan’ny fiangonana ary tsy tokony azo ataon’ny mpitondra mihitsy izany hoe manampy ara-bola fiangonana na antokom-pinoana iray izany. Atoa Andry Rajoelina tamin’reo fanazavan-kevitra nataony 2 taona sy tapany lasa izay dia anisan’ny niteny an’io koa, ankehitriny anefa dia izy mivady mihitsy no nanome vola sy nikaroka ny orinasa nananganana ilay fiangonana eny amin’ny PK 18, dia velom-panontaniana ny maro manao hoe : f’angaha moa mety indray ny hoe filoham-panjakana manome vola fiangonana ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT