Tsy misy filoham-pirenena handeha hanangam-pahavalo ho an’ny tenany, indrindra fa filoha tsy tena marin-toerana tsara tahaka an’i Andry Rajoelina.
Misy olona ao andamosiny izay mety manome toky sy mandrisika azy hihazakazaka hanangam-pahavalo. Mety olona afaka ny hifampiresaka aminy aza no henjehina noho ny mety ho lonilony politika. Mpandraharaha izao no henjehina sy gadraina, ary mpandraharaha mety hifanitsaka bizina sy afera amin’ireo mpisolelaka manodidina ilay filoha no mandrisika azy hanao tahaka izany. Anisan’ny fomba fiady eto amintsika ny finiavan’ny mpandraharaha hiditra mivantana na an-kolaka amin’ny raharaha politika sy fitantanana ny firenena hananana fiarovan-tena amin’ny afera atao. Ireny no tompon’ny vola sy ny harena, ary paikady ny fanohanana kandida any amin’ny fifidianana. Mampanantena izatsy sy zaroa amin’ilay kandida, eny fa na amin’ny resa-bola hoenti-manatanteraka ny fampanantenana aza. Tsy izay anefa no miseho avy eo, fa ireny no manao saribakoly ilay filoha sy toa mitondra ny firenena mihitsy aza. Kisehoseho ivelany no hita tamin’ny fitondrana Rajoelina hatrany amin’ny propagandy ka hatramin’izao. Misy miteny hoe aleo izy hiasa aloha. Ekena fa efa be resaka tahaka an’io koa anie ny fitondrana Rajaonarimampianina dia efa hita ihany no niafarany sy ny manjo ny olony ankehitriny. Efa nanana traiikefa nitantana firenena nandritra ny 5 taona fony tetezamita i Andry Rajoelina, izany hoe tokony ho efa mahafantatra tsara ny maika sy ny tsy maintsy atao ary ny zavatra mbola mila dinihana na miandry kely mihitsy aloha. Ny mampanahy ny maro dia ny fahitana fa matetika malok’endrika ny filoha Rajoelina, eny fa na dia vao minitra vitsy taorian’ny nandraisany fahefana feno aza. Fa inona no antony sa ve efa fantany ve ny fahasahiranana miandry azy noho ny vesatry ny tsindry ataon’ireo nanohana sy nanosika azy ho filohan’ny Repoblika ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.