Politique

Andry Rajoelina Isintahan’ny mpanao politika tsimoramora


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

Mangina tsy miteny efa am-bolana maro ireo mpanao politika azo ambara fa manana ny maha izy azy tamin’ny fandrodanana ny fitondrana teo aloha sy ny fananganana izao fitondrana tetezamita izao.

Tsy hita amin’ireo fivoriana vondrona politika etsy sy eroa izy ireo ary tsy maneho hevitra amin’ny filazam-baovao intsony, na rehefa miteny aza dia toa manakiana ny FAT sy manao teny roa izany. Anisan’ireny mpanao politika tsy re feo ireny intsony tato ho ato izay Atoa isany Lahiniriko Jean, Pierre Tsiranana, Harinaivo Rasamoelina, Yvon Randriazanakolona na Sareraka, Alain Ramaroson izay toa lasa mamaky ady amina minisitra hafa mihitsy aza. Tsaroana tsara anefa fa izy ireo no tena mpiaro ny FAT sy ny ambara fa tolom-bahoaka notarihan’i Andry Rajoelina. Araka ny tsiliantsofina re dia nisafidy ny hangina mihitsy aloha izy ireo satria misafotofoto be ny raharaha. Etsy ankilan’izay moa dia misy amin’izy ireo, araka ny feo mandeha ihany no tsy mankasitraka mihitsy ny paikady politikan’ny filohan’ny FAT nanomboka tamin’ny fiandohan’ity taona ity.

Mampihena ny hery politikan’i Andry Rajoelina avokoa izany rehetra izany ary mety hampihozongozona mihitsy ny toerany aza satria manomboka misintaka tsikelikely aminy ireo mpanao politika nanohana azy sy nahatonga azy amin’izao toerany izao. Ny tsiliantsofina re ihany koa no nahafantarana fa tsy ankasitrahan’ireo mpanao politika anatin’ny fitondrana ireo ny fihetsik’ireo mpanolotsaina ny filohan’ny FAT sasany izay mamahan-dalitra an’i Andry Rajoelina ao an-dapa fotsiny, araka ny fahatsapan’izy ireo azy. Tsy azo lavina ihany koa aloha fa misy amin’ireo mpanao politika ireo no tena variana amin’ny bizna sy ny fanangonan-karena koa dia tsy mivaky loha intsony amin’izany hoe famahana krizy izany.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT